mar.
19
oct.
2010
Raikitra ny goidragidra ! Vahoaka marobe no teny amin’ny lapan’ny fitsarana omaly. Nanotrona ireo mpitari- tolona niakatra fitsarana momba ny raharaha baomba plastika izy ireo. Feno mpitandro ny filaminana ihany koa teny Anosy io omaly io, ary voalaza fa nisy mpitandro filaminana voakasi-tanana ? Nisy olana nitranga, ka tsy afaka niditra tao amin’ny lapan’ny fitsarana ingahy Fetison Rakoto Andrianiriana, ka sorena ireo vahoaka efa tomefy teny an-toerana. Nisy ny savorovoro vokatr’izany, ary nihitatra tamin’ny fitaomana vahoaka teny Ambohijatovo ny raharaha.........
Nitomandavana ny filaharana niakatra teny amin’ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo, ary fotoana fohy taorian’io, dia tonga teny ingahy Fetison Rakoto Andrianiriana, sy ny profesora Zafy Albert. Narahin’ny vahoaka maro hatrany izy ireo, ary nisy ny kabary politika, izay tsy hanekena ny tsy rariny ataon’ny mpitondra tetezamita ankehitriny. Ilaina ny fampihavanam-pirenena, ary atao izay hiverenan’ireo ray aman-dreny nitsoa-ponenana any ivelany. Nisaotra ny mpitandro filaminana ihany koa izy ireo namela malalaka amin’ny fanehoan-kevitra nataony teny Ambohijatovo. Voalaza fa tsy hiato intsony izao hetsika izao, ary io kianja io no hanehoana izany hevitra izany manomboka izao. Nanomboka niakatra tsikelikely teny Ambohijatovo ihany koa ireo mpitandro filaminana, ary nilamina tsara ny fanehoan-kevitra teo amin’ity toerana manana ny tantarany ity. Nanomboka tonga tsikelikely ihany koa ireo mpanao politika mpitari-tolona etsy amin’ny Magro, ary vetivety, dia tomefy olona io kianjan’ny demokrasia lasa faritra mena io. Raha ny hita teny andalana rehetra teny omaly, dia narovan’ny mpitandro filaminana ireto mpanohitra ireto, hatreny Ambohijatovo. Nisy ihany koa tetsy ankilany ny fikasana hidina teny amin’ny kianjan’ny 13 mey io omaly maraina io, ary ny atoandro, dia nipoaka ny lakrimozena. Niparitaka noho izany ireto vahoaka maro be ireto, ary heno fa anio, dia mbola hiverna etsy Ambohijatovo izy ireo. Imasomahita
aty antany lavitra ny tena :any hevitra homena an ireo mpitondr sy panao politika dia tsotra iany miraisa hina,ataovy izay ahitana vaha olana,aiza avela ataon ireo firenena hofihomehezana iska fa mahaamenatra.anisan ireo firenene afrikanina noho dreain ny maro isika kanefa dia izao nho niafarany ny firenena
