lun.

18

oct.

2010

Nisondrotra grady

Eny atsimondrano eny ny Kaominina entin’iny olona iny. Voafidim-bahoaka izy, ary mpampitambatra ireo ben’ny tanàna rehetra teto Analamanga. Nitsangana ny fikambanana notarihiny tamin’izany, ary nahafinaritra erý ny mijery ny firaisankinany. Fa tao anatin’ny indray mipi-maso dia noravàn’ny samy ben’ny tanàna tao amin’ity fikambanana notarihiny ity ilay firaisankinan’izy ireo. Rava sy tsy manankery intsony ilay fikambanana teto Analamanga, ary iny olona iny mihitsy no tiana ahilika. Dia vita teo ilay fikambanana fa iny olona iny kosa mbola nijoro k’ah! Tsy namelàny raha tsy tafavory teto Antananarivo ireo ben’ny tanànana manerana an’i Madagasikara. Fa hivory hanao inona anefa e! Hanohitra ny fanalàna azy ireo eo amin’ity toerana mahabe voninahitra ity. Tsy maintsy miala raha mbola te-hirotsaka ho fidiana. Izay ilay baiko avy any ambony any.......

Dia tonga tokoa ireto ben’ny tanàna efa niomana tamin’ity fivoriana ity. Tsy ilay isany loatra no zava-dehibe araka ny fanambaràna nataon’iny olona iny teo am-panokafana fa ny finiavana nananan’ny tsirairay. Nambarany mantsy fa marobe ny ben’ny tanàna no tratry ny teritery isan-karazany tany amin’ny kaominina hiandraiketany tany. Tao no nasaina namarana vonjimaika ny lisi-pifidianana, tao no voaantso ho tsy maintsy mivory miaraka amin’ny lehiben’ny Faritra, ary tsy vitsy koa no voan’ny don-tandroka fotsiny tsotra izao. Dia raikitra àry ny fivoriana, ka nivoitra tamin’izany fa hangatahan’ireto ben’ny tanàna ireto ho soratana aminy ireo môtô nampiasainy hatramin’izay. Teo koa ny fitakian’izy ireo ny hitohizan’ny famatsiam-bola tapany faha-roa ho an’ny kaominina tsirairay. Dia navoitran’izy ireo ihany koa fa tsy hisy fifidianana ben’ny tanàna izany eto amin’ny 20 desambra 2010, satria tsy mifanaraka amin’ny lalàna ny fanaikàna ny mpifidy handrotsa-bato, tsy mety sy tsy mifanaraka amin’ny lalàna ny fifidianana anaty fotoam-pahavaratra. Ary dia hangataka hihaona amin’ny filohan’ny fahefana avo izy ireo, ka iny olona iny no ho solontena amin’izany. Lasa lehiben’ny fikambanan’ireo ben’ny tanàna manerana an’i Madagasikara izany iny olona iny. Niakatra grady. Voaongana tamin’ilay resaka Analamanga fa nitraka ho an’ny nosy manontolo. Dia andrasana izay ho tohin’ny tantara, fa mahery fiteny ihany iny olona iny raha tombanana ety ivelany. Asa moa raha fantany fa izay mihaona amin’ny filoha avo dia lasa miova fiteny sy firesaka avy hatrany. Marobe no efa sendran’izany fa tsy resaka atao hampandriana adrisa akory. Tsy mora manko ny hanazavàna amin’ireto mpikambana nametraka fitokisana amin’ity iraka hampanaovina. Miandry izay ho vokatry ny fiakarana gradin’iny olona iny ny ben’ny tanàna mahatoky azy. Aza mandraraka ilo mby an-doha r’iny olona iny a! Dadan’i Ranto

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra