sam.
16
oct.
2010
Efa nihomankomana handray ny fivorian’ny “mpiteny Frantsay” isika ohatr’izao, raha mba nisaina kely sy nanindry fo. Any Soisa izao ny olona no hiresadresaka sy hidinika. Isika aloha dia any ambadik’i Sahondra e! Naleontsika niady an-kanina sy nampiasa sandry amin’ny tsy antony toy izay mba hijery ny tombony ho an’ny “iray trano”. Toa sanatria fanambadiam-boalavo no atao eto ka tsy misy fifehezana sy fifanajana, samy mikepoka izay azony. Tsy ny teny Frantsay akory no inona ka hahatonga ny fotodresaka, fa samy mahafantatra ny rehetra (mbola te-ho Gasy) fa tenim-panjanahana io. Ny teny malagasy no tenim-pirenena, araka ny andininy faha- 4 ao amin’ilay volavolan-dalam-panorenana. Ary ny teny Frantsay sy ny teny Gasy no teny ofisialy, tsy vao izao izany fa efa hatramin’ireo lalampanorenana teo aloha. Ny hoe: tenim-pirenena dia teny ampiasain’ny olom-pirenena eto amin’ny tanin’ny Repoblika, ary ny hoe teny ofisialy dia teny ampiasaina eo amin’ny fitantanan- draharaham-panjakana. Fa efa nahita taratasim-panjakana amin’ny teny gasy ranoiray ve ianao? Ohatra hoe: didy navoakan’ny tribonaly ? Fifanarahana ifanaovana amin’ny fanjakana? Moa tsaroanao ve fa ny fikaonan-doham-pirenena farany teo dia tamin’ny teny Frantsay no nanaovana ny fehin-teny. Dia toy izany koa ilay volavolan-dalam-panorenana. Teny Frantsay no navadika ho teny Gasy.......
Ankehitriny isika mianakavy dia tratry ny korontana politika goavana satria mieritreritra amin’ny teny tsy hainy akory ny mpanao politika Gasy. Ny inclusif ,ohatra, dia tsy midika fa fampidirana olona marobe sy isan-karazany any anaty lapampanjakàna. Tsy izany ka! Fa fanaovana toetran’i Beminahy io. Kiraro ila. Tsy misy na iray aza mba miteny fa tsy mety ity kiraro ila ity… Sarotra ve ny teny Gasy? Neutre, hoy ny fihatsarambelatsihin’ny Vazaha. Tsy midika ho Ramasabomanga akory izany e! Tsy hoe: tsy momba ny atsy na aroa akory, na koa sady tsy mangatsiaka no tsy mafana, tsy non-aligné, tsy resaka equilibre régionale, tsy resaka akamakama. Fa tena midika tsotra hoe: tsy firaisana tsikombakomba amin’ny ratsy. Izany no neutre. Mizàna tsy miangatra. Raha mbola ny tenin’ny olona nanandevo sy nanimba ny kolontsaintsika, ny fihavanantsika, ny politikantsika no hohindrahindraina sy hitadiavantsika ny vaha-olantsika dia tsy ho tafavoaka isika. Samy malagasy no miresaka kanefa teny hafa no ifampiresahany? Tsy mahagaga raha resy! Kongona resy! Soa ve fa tsy tanteraka taty ny fivorian’ny mpiteny Frantsay? Asa raha tsaroantsika fa gidragidra tamin’ny fomba rehetra no nandresen’ny mpitondra taloha ny mpiara-mivory tamin’izany vao mba niray feo ny rehetra fa aty amintsika no hatao ny dinika. Saingy isika moa izao efa miolonolona sy natsipin’ ny olona ho eny an-jorombala koa inoa no holazaina eo. Ho levona ny tenin-drazana tsy misy mpanaja sy mpikolo. Ho potika ny rehereha Gasy tsy misy vidiny. Tsy hivaha intsony ny krizy politika satria mpiteny Frantsay no mamaha ny olan’ny gasy petaka. Tsy fanavakavakana sy fanamavoana ny hafa izany fa hambo. Hambo ho tena Gasy manana ny fihavanana, Gasy tena mitondra ny ho avy fa tsy bolokimbazaha. Aza ariana amin’ny resako ny tenako fa Gasy toa anao. ‘Zany, ho’aho e ! Ony RAMBELO