sam.

16

oct.

2010

PDS teo aloha Hery Rafalimanana: Hilatsaka ho ben’ny tanànan’Ambohimalaza ?

Tsy maintsy ho ben’ny tanàna lanim-bahoaka ! Io no tanjon’ingahy Hery Rafalimanana, izay PDS teto an-drenivohitra teo aloha, ary nilatsaka ho ben’ny tanàna, saingy resin’ingahy Andry Rajoelina tamin’izay fotoana izay. Rehefa nahazo lamosina tamin’ny vahoaka teto Iarivo ny tenany tamin’io fotoana io, dia nisafidy ny hangina. Akaiky ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna, ary heno fa mety hilatsaka ho ben’ny tanàna eny Ambohimalaza Miray ny tenany. Vava latsaka teny aminy no nandrenesana, fa hikarakara io kaominina io izy, ary mitetika hanangana fotodrafitr’asa maro. Ny ONG Aéroportage no mpiray ombon’antoka amin’izany. Tetikasa sosialy no heno fa maro no atao eny, ary averina amin’ny lazany tena nahafantaran’ny maro azysy hanana endrika hahasarika ny mpandalo izany kaominina izany........

Hatao kaominina pilote io, hoy izy, saingy sarotra ny hanao izany, raha tsy olomboafidy eo amin’ilay toerana ianao. Tanindrazan’ingahy Hery Rafalimanana ihany koa ity Ambohimalaza ity, ka izay no mety hiampitàny any amin’io toerana io. Midika ve izany, fa io kaominina io no hianteherany fa mety hahazoany ny vaton’ny mpifidy ? Dia hanadino ny vahoaka eto an-drenivohitra ihany koa ve ny tenany, raha tsy lany tamin’ireny fotoana ireny ? Hatreto aloha, dia ny faritra ivelan’ny renivohira no tena hanohizany asa sosialiny, toy ny teny Ambohidratrimo Iarinarivo omaly, izay nikarakarany ilay sekoly tsy miankina iray teny, ary novatsiany fitaovana maro be tao amin’ilay trano famakiam-boky. Azo antoka, fa hanana ny lalan-kizorany tsy voafatotry ny antoko politika ny tenany, amin’izay safidy mety hilatsahany fidiana ho ben’ny tanàna amin’ny 20 desambra ho avy izao. Sa mety hisafidy ny hitsapa ny herim-bahoaka farany eto an-drenivohitra ihany ny tenany, raha hisy hilaza fa miandry anao indray ny vahoaka eto Iarivo amin’ity indray mitoraka ity ? Tsy hay aloha na don-tandroka ihany ity eny Ambohimalaza miray kasainy hilatsahana ity, na ahoana, fa raha ny heno, dia efa miomankomana avokoa ireo namany eny amin’io sehatra ambanivohitra io amin’ny mety hanohanany ity PDS teto Iarivo taloha ity. Raleva zokiny

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra