sam.

16

oct.

2010

Fitia mifanohitra: Mafy ho an’ny vavy, malemy ho an’ny lahy

Olona miisa 1 100 no nanaovana ity fanadihadiana iray ity, tany Pays Bas mikasika ny fiarahan’ny lahy sy ny vavy. Vehivavy iray amin’ny telo no nilaza fa mila lehilahy henjakenjana sy mahery setra amin’ny resaka firaisana aranofo. Tsy midika velively izany hoe mifono herisetra, saingy kosa tsy modraka lava toy ny oroka sy ny safosafo fotsiny. Fihetsika tena mampiseho ny maha-lehilahy azy. Mety ho diso fanantenana ihany anefa ireto vehivavy ireto. Nilaza mantsy ny lehilahy fa mila fitiavana mafana sy feno tambitamby ny ankamaroan’izy ireo mandritra ny firaisana ara-nofo. Ny 13%-n’ireo lehilahy nanaovana fanadihadiana ihany no milaza ho tia fiarahana maherihery vaika. Sarotra ihany tokoa ny miaina. Voalaza hatrany mantsy fa mila tambitamby sy safosafo malefaka ny vehivavy amin’ny fiainana ara-pananahana. Izay ilay hoe avadiho im-pito ny lela mialoha ny hitenenana. Saingy sora-jandiana io, ka samy mizesta amin’ny ananany sy ny fitiavany. Fikarohana fotsiny ihany itony.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra