Nanomboka ny taona 2008 no nankalazaina ho andro eran-tany ho an’ny fanasana tanana amin’ny savony ny andron’ny 15 oktobra. Nanamarika izany ihany koa isika teto Madagasikara. Zava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny mponina ny fahazoany midio, tsy amin’ny savony ihany fa amin’ny rano ihany koa. Ho antsika eto Madagasikara anefa dia mbola maro ny olana sedrain’ny mponina mahakasika izay filana amin’ny rano izay. Voalazan’ny antontan’isa fa olona iray amin’ny efatra, izany hoe ny 41%-n’ny mponina ihany no mbola mahazo tombony amin’ny rano fisotro madio, ka ny 71% amin’ireo no an-tanàn-dehibe ary ny 29% no any ambanivohitra. Ny ampahafolon’ny Malagasy kosa no manana fahafahana hampiditra sy hampiasa rano ao an-tokantranony, miaraka amin’ireo fotodrafitrasa mifandraika amin’izany.......
Nahitana fihenana ihany koa izay fahazoana rano teto amintsika izay, araka ny antontan’isa ihany. Tamin’ny taona 2008 ohatra dia fantatra fa ny 47%-n’ny tokantrano malagasy no nahazo rano tao an-tokantranony. Roa taona aty aoriana, izany hoe, amin’izao taona 2010 izao dia nihena hatramin’ny 6% ny isan’izy ireo. Raha ny voafaritra ao anatin’ny tanjon’ny taonarivo fahatelo anefa dia tokony ho Malagasy sivy tapitrisa manerana ny Nosy no hahazo rano fisotro madio hatramin’ny taona 2015. Nanomboka ny taona 2002 mandraka ankehitriny aloha dia mbola loharano fisotro madio miisa 1 200 no napetraka teto amintsika. Ny 88%-n’ny fahafatesana vokatry ny aretim-pivalanana anefa dia noho ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio avokoa. Ny aretim-pivalanana izay mbola mitoetra ho anisan’ireo aretina mamono ny ankizy latsaky ny dimy taona eto Madagasikara. Ny 17%-n’ny zaza Malagasy no mamoy ny ainy mialoha ny faha-dimy taonany eto amintsika. Miisa 71 000 ireo ankizy latsaky ny dimy taona tra-pahafatesana isan-taona ary 195 isan’andro. Miampy ny olana ateraky ny fiovaovan’ny toetrandro ireo rehetra ireo dia tsy fantatra izay ho avin’ity firenentsika ity. Milaza ny heviny ihany koa ireto olona sendra anay ireto. Harimbola M.