ven.

15

oct.

2010

Sitranaaaaa !

Mafy no nanjo iny olona iny. Nifanenjehana tarý antanimbary tarý, natao lanja-kisoa eran’iny lalan-kely iny. Voaheloky ny fitsaràna ary nihiboka tany ambany atsinanana tany. Narary sy nandraingiraingy noho ny aretina. Fa sitrana izao iny olona iny. Tonga izy, na dia efa fotsy sasaka aza ity volo. Nihamatotra sa dia izay ilay fiovana tany amin’iny olona iny? Raha tohizana ny tantara dia mbola tokony hanefa ny saziny iny olona iny. Fa ny antsika eto Madagasikara moa dia toa lasa politika daholo ity rehetra ity. Izany dia midika fa tsy hiverina any ambany atsinanana intsony iny olona iny. Ireo marobe nihiboka tany talohan’ny 2009 aza efa saika navoaka daholo, ka iny olona iny ve ?.......

Fa midika inona ny fahatongavan’iny olona iny? Hisava lalana? Marobe tamin’ny ekipan’iny olona iny mantsy vao rava ilay fitondran’i Ramose dia efa tonga taty. Fantany tsara ny fipetraky ny politikan’ireo mpihazona fahefana eto. Koa fotoana tokony hahatongavan’iny olona iny ve izao ? Mbola any aminy ny herin-tsaina sy ny herim-po ho an’ny tanindrazana matoa tonga indray iny olona iny. Ary iza moa no Gasy voatery nandao ity tanindrazana iombonana ity no tsy hanembona hiverina eto rehefa tafahitsoka any mandritra ny fotoana ela? Ho an’ireo mbola tsy sendra izany no mbola bevava sy mihevitra ny tsy ho tratry ny aloka, fa rehefa mby an-koditra ny olana dia henjana sy tsy laitra iainana hatrany e ! Azo tombanana koa fa hirotsaka ho fidiana filoham-pirenena iny olona iny raha izao fihetsiny izao. Mila mitoetra eto an-tanindrazana mandritra ny enim-bolana mantsy fara-fahakeliny, raha te-hitsapa vintana amin’izany. Raha hitarina ny resaka dia tombanana hampandany ny “eny” àry ve izany iny olona iny satria efa mitsinjo ny hametrahany ny tongony izy amin’ny Repoblika vaovao? Dia mila maka bahana tsara sy maka volon-tany indray izany iny olona iny manomboka izao satria anisan’ny antoky ny fahombiazany ny fiverenana an-tanindrazana. Ary indrindra ny fiverenana eo amin’ny tontolo politika malagasy. Aoka hazava mantsy ny resaka fa tsy hipetra-potsiny sy haka aina no alehan’iny olona iny aty. Izy rahateo dia efa sitrana tanteraka matoa niverina. Nitsabo tena, ho’aho, no nandefasana iny olona iny tany ampitan-dranomasina tany…Enga anie tsy ho maty lolo sy hiraviravy tanana iny olona iny rehefa tena tafaroboka tanteraka ao anaty politika. Tsy mafy noho ilay fanenjika teny an-tanimbary talohabe iny io r’iny olona iny a ! Dadan’i Ranto

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra