jeu.

14

oct.

2010

Sipa tsy mihontsona: Misy inona ?

Tsy mety mahazo fahafinaretana, tsy misy fientanana na faniriana. Mety hiseho eo amin’ny vehivavy avokoa ireo ao anatin’ny fiainany ara-pananahana. Misy antony miteraka izany fa tsy tongatonga ho azy amin’izao fotsiny ireo. Fanazavana. Ny 10%-n’ny vehivavy eran-tany no voalaza ho tratr’izay tsy mihontsona izay rehefa manao firaisana aranofo. « Frigidité » no amantarana izany amin’ny teny vahiny. Tsy misy ifandraisany amin’ny tsy mahatonga ny « frigidité ». Tsy mihontsona, toa mangatsiaka amin’ny arapananahana fotsiny ihany ny vehivavy trany. Lazain’ny manam-pahaizana fa avy ao amin’ny saina mihitsy no miainga izay tranga izay. Mety ho olana mahakasika ny “hormone” na ihany koa vokatry ny fihinanana fanafody no miteraka izay tsy fihontsonan’ny vehivavy izay rehefa hanao firaisan ara-nofo. Tsy manaranaka velively izy, saingy mety hisy fiantraikany any amin’ny zanaka kosa ny “frigidité” eo amin’ny reniny, indrindra fa amin’ny zanaka vavy......

Tsy misy vehivavy nateraka ho tsy hihontsona kosa anefa, araka izany. Natao hanana fivelarana ho amin’ny fiainana ara-pananahana avokoa ny olombelona tsirairay. Ireo nobeazina tanaty tontolo tsy dia misokatra sy tsy misy fifanakalozan-kevitra nandritra ny fotoam-pahazazana matetika no ahiana ho “frigide” rehefa lehibe. Mety hipoitra ho azy eo anivon’ny tokantrano ihany koa ny “frigidité” raha toa ka misy olana goavana sy tsy misy fifampiresahana eo amin’ny mpivady. Eo ihany koa ny tsy fahatokisan-tena mpitranga eo amin’ny vehivavy. Dradradradraina amin’izao fotoana izao rahateo ny fanatrarana ny fahafinaretana faratampony sy ny tontolony. Miteraka tsy fahatokisan-tena sy ahiahy amin’ny olona maro ny firesahana izany. Ilaina araka izany ny fifehezana ireo teknika rehetra mahakasika io tontolo io, saingy natokana ho an’ny olon-dehibe sy ny zatovo izy ireny matetika. Ny fifampiresahana ihany aloha hatramin’izao no lalana azo antoka hampandeha araka ny tokony ho izy ny fiainana ara-pananahana eo amin’ny mpivady. Tsara kosa ny manatona mpitsabo manam-pahaizana manokana amin’izany sehatra izany, ho an’ireo vehivavy tratry ny “frigidité” tsy ahitam-panafany

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra