jeu.
14
oct.
2010
Ny hevitra tsy arahin’asa, zava-poana ! Mora am-pitenenana ny filazana fa mila atolotry ny filohan’ny tetezamita ankehitriny Andry Rajoelina ny fahefana, fa sarotra tanterahana. Ny antony, dia tsy hanaiky izay olona hangataka fahefana aminy rehetra izao ingahy Andry Rajoelina, satria izy no namono ny voay araka ny fomba fiteny, ka tsy hanaiky ny hiravahan’ny sasany ny vanginy. Mbola mety ho fani - riana ihany ny an’i Profesora Raymond Ranjeva hatreto, nefa mety ho tanteraka. Ho tanteraka raha manaiky hiala an-kitsim-po ny filohan’ny tetezamita ankehitriny, izay mametraka sy manamafy ny fitondrany. Porofon’io ny fampijoroany ny filan-kevitra ambonin’ny tetezamita sy ny kongresin’ny tetezamita. Raha ilay fanambarana nataon’i Profesora Raymond Ranjeva anefa, dia maika ny fanavotana ny firenena, izay no mahatonga ilay vonjy aina nofaritany hitondrana ny tetezamita tena izy. Efa nihaona tamin’ny filoha Ratsiraka sy ny filoha Ravalomanana ihany koa ny tenany, saingy tsy nisy io tamin’ingahy Andry Rajoelina......
Inona no sakana tsy angatahany izay fihaonana izay, mba hahamora ny dinika, na hanaiky ny mpitondra ankehitriny na tsia ? Raha tsy hanaiky, moa hisy fetrany ve ny fandeferany am-mpilaminana ny hanolorana izay fahefana izay sa tsia ? Ho raisiny toy ny nataon’ny mpitondra ankehitriny ve izay familiana ny tetezamita izay, mba hanavotana ny vahoaka sa hiandry izay tendrin-janahary eo ? Ny tsapa aloha hatreto, dia manomboka miorim-paka eo anivon’ny vahoaka ny hevitra voizin’ity mpahay lalàna iraisam- pirenena ity, ary miandrandra izay ho ataony ny vahoaka sy ny mpanao politika, ary porofon’io ny nahitàna hery avy amin’ny ankolafy telo, nihaino ny fanambarana nataony ny talata lasa teo tetsy amin’ny La Rotonde Besarety. Rahoviana ar y ingahy Ranjeva Raymond no ho filohan’ny tetezamita e ? Hanaiky izay fihetsika hataony eo ihany koa ve ny mpitondra ankehitriny, sa ahoana ? Tantara mbola mitohy ireo, saingy ny tsapa, dia tsy mba tia gidragidra ity profesora ity, fa miandry ny rariny hatrany. Vainafo zanany
Pasitera Maihol: Hatolotra ho ahy ny fitondrana
Profesora Ranjeva: Atolory ahy ny fitondrana
Pasitera Maihol: Amin'ny 2013
Profesora Ranjeva: Izao dia izao!
