jeu.
14
oct.
2010
Namoaka fanambarana iombonana ny talata lasa teo ireo mpanakanto sy artista malagasy ary ireo trano mpamokatra mikasika ilay paikadin’ny « Office Malgache des Droits d’Auteurs » na ny OMDA hanangona ireo kapila rehetra miparitaka eny amin’ny tsena mba hametahana ilay marika hamantarana sy hanavahana ny tena « original » amin’ny piraty. Nangataka ny mba hanemorana ny daty hanaovana izany, izay kasain’ny OMDA ho amin’ny fiandohan’ny volana novambra ho avy izao izy ireo. Tsy mbola nisy valiny anefa hatramin’izao. Noho izany dia hivory izy ireo anio eny amin’ny E s p a c e M o n G o u t e r Andrefan’Ambohijanahary, ka handray fanapahan-kevitra ho fanehoana io soso-keviny io. Raha araka ny tsilian-tsofina re dia mety hanatanteraka fitokonana fanairana izy ireo ny sabotsy ho avy izao ary mangataka ny onjampeo sy ny fahitalavitra ary ireo gazety an-tsoratra mba tsy handefa hira mihitsy sy tsy hanoratra amin’ireo pejy natokana ho an’ny kolontsaina. Ho hita eo ihany ny tohiny. Zaka Fils