jeu.
14
oct.
2010
Lohataona ity ny andro. Ny mpindrana angady amin’izao vanim-potoana izao dia maniraka ny tompony hiasa. Fa tsy ny angady rehetra koa akory dia ho azo hiasàna e ! Misy ny sasany na dia hiadiana kankana etsy ambody lava-piringa etsy aza dia tsy mahaovoka firy. “Andiam-bahoaka” nifanitsa-kitro no tonga terý amin’ny lapam-panjakana terý fa hampiasa ny angadiny ,hono, mandritra izao vanim-potoana ilàna mpiasa marobe izao. Koa raha samy hanakaràma ihany tokoa ve r’Ingahiroa tsy aleo hatomboka ny asa fa fahavoriana tsy misy toa izao. Mbola tsy ampy isa ireto “andiam-bahoaka” marobe nindrana angady mondro ireto, satria mbola misy angady miisa enina any amin’ny tompony any. Io moa tsy dia mahagaga loatra satria toetra nataon’ny tompon’angady efa hatry ny ela. Dia manontany tena kosa ny mpitazana hoe: inona no atao? Hitan-damba sy hijerijery sa hanampy ireto mpiasa marobe ireto? Ianao aza anie ka mpindrana fotsiny fa tsy tompony e! Ary miasa aman’olona ianao ka hanana hevitra ho tohanana mankaiza? Hitady ketsa hafa hatsatoka? Ny manonofy sisa no azonao mpitan-damba ety ivelany hatao. Indrindra moa ka ho tonga ny fotoam-pinjinjàna any aoriana any (raha hisy vokatra), ka hanantena fa hisy fizarana ho an’ireny madinika ireny, sy mba hiara-komana amin’izay ao anaty vilany nongo ao. Indrisy ry Gasy havako fa hahantra ianao! Na ny hofan-tsarety nitaomanjezika tamin’ny taon-dasa aza anie ka mbola tsy voaefantsika e! Hitsin-dalalana fotsiny no nataontsika tamin’izany ka naharatsy endrika antsika tamin’ny mpiara-monina. Koa na inona na inona vokatra mety ho azontsika dia tsy maintsy ny tompon-tsarety ihany no afaka hanome ny fankatoavana ho antsika raha tena vokatra azo hanina tokoa ity novolena ity. Ka iza àry no be fitaka eto? Ny tompon’angady sa ireo nanaiky hiasa amin’ny angady mondro? Sa ny mpitan-damba? Sa ireo mbola miandry ny angady lava lela? Sa ireo hiandry an-dry Pôly sy Razaka?........
Tsy hilatsaka angaha moa io orana io? Ka angaha moa hanan-tsafidy hanavaka izay ho tratry ny hamandona sy ny safodrano ny Zanahary? Angady mondro ve hahafahana hanao tatadrano ho aro-riaka? Voly manao ahoana no hantenaina hanome vokatra amin’ny dibo-rano sy ny tandra-metaka? Tsy hadalàna ny an’ireo zokintsika raha nananatranatra fa ny soa ny kenda mba hahay hitsako, ary ny teny atao dia adidy, ny toky koa fitaka fa ny atao no hita. Aleo hiakatra ny vokatra dia ho hitantsika na hamololona fotsiny, na koa mba hisy voany. Tandremo ihany koa fa firaisana tsikombakomba ny fitazanana fotsiny ny loza efa mby an-koditra. Tsy ny mindrana sy manantena “angady mondro hatolotra” no vaha-olan’ny asa tsara sy ny bainga voavadika fa ny finiavana hanefy sy hitsinjo ny ho avy. Sa efa tsara fitak’Ikotofetsy sy Imahaka daholo? Efa nandraingiraingy ny tompon’ondry, i rafotsibe, ny tompom-bady? Hatramin’ny tompom- pasana aza voasolokiny ka lasa mpandova mbola velona izy ireo. Angano izany f’aza lasa saina eo r’Ingahiroa a! Ony RAMBELO