mer.
13
oct.
2010
Efa hatreny amin’ny kianja fitolomana no voatonona ho minisitra iny olona iny. Hatramin’izao dia mbola ao anaty governemanta ao izy. Mihetsika manaraka ny lalan-jotra hikorian’ny hevitry ny fahefana avo raha iny olona iny. Niverimberina ny fandraisan’ andraikitra nataony tato ho ato. Satria napetaka ho andraikiny ve no manao izay tsy hivorian’ny ben’ny tanàna manerana an’I Madagasikara? Tamin’ny faran’ny herinandro teo àry dia anjarany no namory ireo ben’ny tanàna tany amin’ny faritra Vakinakaratra, ny tany Atsinanana, ary tany Analanjirofo. Nohazavainy tamin’ireo ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina marobe nihaino azy, ny mahakasika ny fifidianana sy ny fisapan-kevi-bahoaka. Asa fanaon’iny olona iny amin’ny andavan’andro izany , ary tsy tokony hahagaga ny fihetsiny. Nambarany ihany koa fa efa manao ny ainy tsy ho zavatra ny fitondrana tetezamita avo sy ny ministera izay tarihiny amin’ny fanapariahina ireo lalàna sy volavolan-dalampanorenana hosedrain’ny vahoaka......
Fa ny nahagaga tamin’izao fitsidiham-paritra nataon’iny olona iny izao, dia ny fanambaràn’ireto ben’ny tanàna sy mpanolontsaina novoriana fa vonona hiatrika ny fifidianana izy ireo ka hanaraka ny lalàna mifehy izany. Ary tsy izany ihany fa nohitrikitrihin’izy ireo fa tsy ilaina intsony izany fivorian’ny ben’ny tanàna hatao eto an-drenivohita izany. Ka nampitenenina ve ireto ben’ny tanàna ireto sa dia niteny ho azy sy araky ny nahi-pony? Tsara ihany mantsy ny manamarika fa vororiana niaraka hatrany tamin’ny lehiben’ny faritra ireto ben’ny tananàna sy mpanolon-tsaina ireto, ary indrindra dia ny lehibeny mivantana no eo anoloany, dia ny minisitra mpiahy azy mivantana. Tsy mazava intsony na amin’ny maha-minisitra mpitondra sy mampiasa ny fahefam-panjakana azy no hamorian’iny olona iny ieto mpivory , na koa dia zavatra hafa mihitsy. Fa mampaninona an’iny olona iny moa raha mivory ny samy ben’ny tanàna? Hisy tombony mankaiza moa raha minisitra tompon’andraikitra no mamboly fisaratsarahana sy savoron-kevitra ho an’ny samy ben’ny tanàna? Fitondrana manao ahoana no mila feo samy hafa amin’ireny vondrom-bahoaka-paritra isan-karazany ireny? Sa politikan’ny fizarazarana no tena hilofosan’iny olona iny? Sa moa izany no dikan’ilay hoe fanapariapahefana? Tokony hahomby tsara eo amin’ny sehatra hivelarany iny olona iny raha hainy ny mampiasa ny fahefana eo ampelatanany. Moa tsy vahoaka marobe no efa nahita tombony tamin’ireo kara-tany marobe nikelezan’iny olona iny aina? Sa tsy maintsy hampiasa ireo ben’ny tanàna iny olona iny, amin’ny tombony arapolitika sy tanjona tiany ho tratrarina? Izany tokoa ilay hetaheta politika manoloana ny fififdianana mifanesy? Toa tsy miova izy izany, fa toy ny fanaon’ny hafa teo aloha ihany izany fihetsika izany r’iny olona iny a! Dadan’i Ra