mar.
12
oct.
2010
Fatra-pitady izay fomba hoentina manome fahafinaretana ny vadiny ny ankamaroan’ny lehilahy momba ny fiarahan’ny mpivady. Voalazan’ny manam-pahaizana fa tsy ny resaka fananana traikefa amin’ny ara-pananahana akory no zava-dehibe eo amin’ny fifankatiavan’ny mpivady fa ilay fifanomezana fitiavana sy tambitamby. Tsy izay lehilahy mahay mamalifaly any am-pandriana akory no tena filamatra ho an’ny vehivavy fa ny lehilahy mijery azy amin’ny maso sy fo feno fitiavana. Ny 2%-n’ny vehivavy ihany no milaza fa mametraka ny laharam-pahamehana any amin’ny fiainana ara-pananahana.......
Nanambara mihitsy izy ireo fa noho izay tsy fahafenoany momba io lafiny io izay indrindra no niteraka ny fisaraham-panambadiana, 38% no mitaraina vokatry ny tsy fahampian’ny fanohanana ara-pitiavana. Ho an’ny manam-pahaizana indray dia tsotra ny fanazavana. Milaza ho tsy tia miankin-doha ny vehivavy amin’izao fotoana izao, nefa mbola mila fanohanana sy fitiavana. Ny resadresaka momba ny fitiavana sy ny fiarahana mihanihany aminy no lazain’ny ankamaroan’ny vehivavy ho mahafinaritra azy kokoa, noho ny fiarahana mitokana any am-pandriana. Mifanohitra amin’izay anefa ny an’ny lehilahy, izay mbola mifototra amin’ny firaisana ara-nofo hatrany mialoha ny zavatra rehetra. Atsipy ny teny ho an’ireo lehilahy izay mbola mitaredretra tsy manome tombondahiny ny vadiny, na ny olontiany. Fitiavana sy tambitamby ary teny mamy no mbola mitoetra sy manan-danja kokoa, noho ny fanananana sy fampiharana ny traikefa any am-pandriana.