mar.

12

oct.

2010

Mpitondra ny tanàna teto Iarivo: Iza no hilatsaka ho ben’ny tanàna ?

Mpikambana TIM telo, izay nitondra teto Iarivo no hifantohan’ny sain’ny maro, na hilatsaka ho fidiana, ho ben’ny tanana, na tsia. Tsy iza izany, fa ingahy Patrick Ramiaramanana, izay PDS teo aloha, ary nirotsaka ho fidiana, ka nahazo ny fankatoavan’ny vahoaka. Eo ihany koa ny PDS Hery Rafalimanana, izay kandida mbola natolotry ny TIM, saingy tsy lany, ka nahatafakatra ny ben’ny tanàna tamin’izany Andry Rajoelina. Ny farany izay mpikambana eo anivon’ny TIM dia ingahy Guy Rivo Randrianarisoa, izay PDS natolotry ny fitondran-dRavalomanana farany teo, izay tao anatin’ireny vanim-potoana navaivay ireny no niakarany teo amin’io sehatra io. Raha ny asa vitan’ireto mpikambana teo anivon’i TIM ireto, dia maro, ary nitondra aina vao ho an’ity renivohitra ity. Ankehitriny anefa, dia zary potika avokoa ireny asa ireny, ary tsy nisy fanohizana intsony ny fikarakarana azy. Raha ny eto an-drenivohitra manokana no asian-teny, dia azo antoka, fa ho maro ny kandida hisedra ny safidim-bahoaka eto. Isan’io ny PDS ankehitriny Edgard Razafindravaha, izay mety hilatsaka amin’ny anarany manokana. Ny eo anivon’ny TGV dia hanana ny kandidany ihany koa, ary ireo antoko sy fikambanana hafa, dia tsy mbola fantatra izay hataony. Iretsy TIM nivadika, dia mbola mety hanana ny kandidany ihany koa, ary izay no hilazàna, fa hafotaka ny fifidianana eto an-drenivohitra. Ny fanontanian’ny maro, dia ny hoe iza amin’ireo efa nitondra ny tanàna tao amin’i TIM voalaza etsy ambony no hirotsaka fidiana ho ben’ny tanàna amin’ny 20 desambra ho avy izao ? Vainafo zanany

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra