mar.

12

oct.

2010

Manara-penitra ireny

Tsy azo kianina intsony angamba ity baolina kitra Gasy ity ? Hadàlana raha zavatra toy ireny no ahitàna tsininy indray. Ireny mihitsy no fahaizan’ny rehetra e! Tsara ireny vokatra ireny. Ireny koa no vitan’ny hoza-pe. Ireny no kianja manara-penitra mba ananan’ny tanàn-dehibe. Ireny ilay kianja tsy azo hampiasaina afa-tsy ho an’ny fanatanjahan-tena ihany. Iny no mpanazatra nafarana tany ivelany sy nokaramaina volabe. Ireny no matihanina Gasy, Ireny no zavatra nokarakarain’ny mpikarakara. Ireny no mpijery baolina mahafatifaty, mahay maneho ny fihetseham-pony. Ireny koa ny mpilalao Etiopiana tsy ho resintsika intsony mandrakizay doria, satria hainy ny nilalao amin’ny kianaja manara-penitra toy io antsika io. Ho very fotoana izay hanadany rora sy mondron-kery amin-javatra mahabe hambo-po toy ireny. Tsara fa tohizo! Ny ataontsika mianakavy mihitsy no mahafinaritra sy mahavelombolo daholo. Tsy azo kianina fa samy milofo amin’izay tandrifiny. Mahadiavolana ny saintsika ny miaina ao anaty eritreritra “ho manara-penitra sy avo lenta”. Tsy misy toa antsika eto amin’ny faritra misy antsika. Isika no masi-mandidy amin’izay tiantsika hatao, tiantsika ny miaina amin’ny “hafakelintsika”......

Isika irery izao no tsy mitoko ao amin’ilay sokajy misy antsika. Tao anatin’ny indray mipimaso dia nanara-penitra sy azo nandraisana lalao iraisam-pirenena ilay kianja nanaovana “toto-hinjaka” tamin’ny fetimpirenena. Dia aok’izany ny hafaliantsika fa mandeha sy mizotra tsara ny fiainantsika mianakavy, ary tsy ny baolina kitra ihany, fa ny lafiny rehetra dia mahavelombolo sy hahita-pahombiazana daholo. Ny toe-karena dia voafehintsika tsara, voaloantsika amin’ny an-tsakany sy andavany ny vola notrosaina hatrizay, mandeha tsara koa ny fananganana foto-drafitr’asa isan-tsokajiny. Voafehy sy hitantsika ny vahaolan’ny fitokonana ara-tsosialy marobe nitranga teto. Voaravarava ny mpampihorohoro amin’ny tsy fandriampahalemana. Milamina tsara izany ny toe-karena sy ny sosialy, ary torak’izany koa ny politika. Hataontsika manara-penitra ny fitsapan-kevi-bahoaka sy ny fifidianana misesisesy ato ho ato. Hataontsika ho vaky vava ireny Afrikana ireny fa tsy misy toa antsika aty amin’ny faritra misy antsika e! Isika irery ihany tsy mila fanampiana tsy mitera-boka-tsoa. Mizotra tsara amin’ny hitiavantsika azy ihany koa ny fitantanana ara-politika amin’ireo andrim-panjakana maro samihafa. Eto koa moa tsy misy vahoaka afa-tsy ny mpanindrahindra sy ny mpihinana ambolony. Ary vonona handray anjara amin’ny fanantanterahana ny adidiny daholo izy rehetra ireny. Moa tsy vokatry ny hafaliana sy ny fanohanany ny mpitondra ireny sora-baventy lanjain’izy ireo any amin’ny faritra ireny? Ireny siosioka eto an’araben’ny renivohitra rehefa misy manam-pahefana mandalo ireny?. Moa tsy vokatry ny hafaliana no nahatonga ny tsipy tavoahangy plastika teny an-kianjabe? Moa tsy fanehoan’ireny vahoaka ireny ny fahalalàny an-tsipirihiny izay voasoratra ao anatin’ily vovavolan-dalam-panorenana ny fandrovitany (na koa fandorany) izany vao tonga eo am-pelatanany? Dia faly isika , fa manara-penitra aby izay ataontsika eto. Asa inona loatra re no mba any an-dohan’ireny milaza azy ho mpanelanelana ireny e? Ireny andian’olona mahita tsy fihetezan- javatra ireny? Ireny andian’olomboafidy tsy mety manaraka toro-marika ireny? Ireny mbola mitetika ny hivorivory etsy sy eroa ireny? Fa ny mahagaga dia tsy mety mihaiky isika fa manana toetra hondrahondranana. Tsy vonona ho tompon’antoka ny mpitantanana isan’ambaratongany. Tsy mety ho tonga saina fa ny olona sy ny firenen-kafa dia miha-mandroso fa isika dia mihemotra. Tsy mijanona tamin’ny toerana nisy antsika talohan’ny niverenan’ny fahaleovantena akory, fa niverina lavitra be. Fa izany ,ho’aho, tsy midika inona satria efa manara-penitra izao lalana hizorantsika izao. Ka efa ny “fitiavana“ tsinona no mibaiko ny tsirairay! Fitiavana manara-penitra ? Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    ngalifotsy (mardi, 12 octobre 2010 10:38)

    Hahaha !

  • #2

    oza (mardi, 12 octobre 2010 11:48)

    manara-penitra fa le fenitra arahina sankalité
    mdr

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra