lun.
11
oct.
2010
Tsy tapaka tanteraka araka izay iniana aely ny famatsiam- bolan’ny firenena mpanampy an’i Madagasikara, araka ny tatitra nataon’iny olona iny. Navadibadiny teo ny tarehi-marika marobe, ny antontan-taratasy isan-karazany, ny teny tsara rindra sy voafantina. Etazonia no voalohany amin’ny fanampiana ara-bola an’i Madagasikara ny taona 2009, ary nahafoy 4049 tapitrisa dolara izy tamin’izany, hoy hatrany iny olona iny. Dia tena hafakely toka ity Madagasikarantsika ity satria sady faiziny isika no safosafoiny? Rehefa nitsongolohana ny resak’iny olona iny dia nambarany fa mikasika ny fahasalamana no tena nitambesaran’io fanampiana Amerikana io, tamin’ny alalan’ny USAID. Ary na ny ONU aza, raha nanampy antsika, dia teo amin’ny sehatry ny fahasalamana ihany koa no tena nanompanany ny fanampiany. Fa inona moa izany resaka fahasalamana izany? Moa tsy fitsinjovana ny maha-olona?.......
Nihena fotsiny koa, ny fanampian’ireo firenen-dehibe, raha eo amin’ny sehatry ny fotodrafitr’asa. Io tohana ara-bola io dia nomena mba hanarenana ny lalana tao aorian’ny rivo-doza, hoy iny olona iny ihany. Loza voajanahary sy ny fahavoazana naterany anie izany no mahatonga ny fanampian’ny hafa e! Sa dia ny fitondrana malagasy mihitsy no nanao fifanarahana manokana tamin’ireo firenen-dehibe ireo mba hamatsy vola azy? Moa tsy karazana “fangorahana sy fitserana” sisa ity ataon’ny firenen-dehibe ny vahoaka malagasy? Moa tsy nodinganin’ireny fanampiana ireny fotsiny ny mpitonona ho mpitondra an’i Madagasikara, satria dia fanohizana izay fanampiana amin’ny maha-olona izay no hataon’ny firenen-kafa? Hoy i Obiageli EZEKWESILI, filoha lefitry ny banky mondialy aty amin’ny faritra Afrika, raha miresaka momba an’i Madagasikara:” Ny banky iraisam-pirenena dia tonga sy manampy ho amin’ny famerenana ny lamina araka ny lalampanorenana, ho an’ireo firenena mandalo krizy”. Nanamarika ity tompon’andraikitra ity fa mampiasa izay rehetra am-pelatanany ny sehatra iraisam- pirenena mba ho fampihenàna ny fahantrana, ary manentana hatrany ny fampiasam-bolan’ireo sehatra tsy miankina. Koa efa azon’iny olona eto amintsika iny ve izany resaka izany? Io famadibadihan-dresaka tsy mifanitsy amin’ny zava-misy io no tena mampiolana ny efa miolana eto. Tsy rehefa manampy ny olom-pirenena malagasy akory ny sehatra iraisam-pirenena dia adika fa manampy ny mpitondra ankehitriny. Ataovy toy ny sotro-ranon’akoho izay azo e! Dadan’i Ranto.