sam.
09
oct.
2010
Amin’izao andro mafana izao no tena ilana ny miharatra sy ny manala ny volo rehetra manelingelina amin’ny vatana. Voakasik’izany ny volo amin’ny faritry ny taovampananahana. Azo avadika hialana kely amin’ny mahazatra ny fomba fanao manodidina azy io. Amin’ny fomba ahoana anefa ? Tsotra fotsiny. Ampandraisina anjara ao anatiny ny vady. Mahafinaritra kokoa ny miharatra miaraka anankiroa, raha ity traikefa vaovao ity. Misy ny vehivavy mahatsiaro menatra ny vadiny ka mitokana samirery rehefa manala ny volo amin’ny taovam- pananahany. Ho an’ny vehivavy hafa kosa anefa dia fihetsika iray mitarika ho amin’ny dingana voalohany ny fanaovana izany imasombady.....
Sady mahafinaritra ny lehilahy ny mitazana izany no miteraka nofinofy maro ao an-tsainy ihany koa. Karazana kilalao hafakely natokana ho an’ny mpivady ny miaraka miharatra toy izany. Afaka misafidy izay endrika tiany ihany koa ny lehilahy eo. Tsy mifidy ny fitaovana azo ampiasaina, na hareza, na menaka … Somary mampasiatsiaka ny fiarahan’ny mpivady ny miharatra miaraka amin’ny vady, ka azo andramana tsara ahitana izay mety ho vokany. Toy ny safidy rehetra io, ka an’ny tsirairay no miangaly izay “style” mety aminy eo.
ie, zay mivady manao an'izany fa tsy ratsy an;
izahay mivady koa ,tena mahatsiaro hoe sambatra izany tena fy fa andramo
