Tsy rototra amin’izay fifidianana ny olona. Sasa-poana ny eo anivon’ny mpanohana ny ENY manazava ny vontoatin’ilay lalam-panorenana heverin’izy ireo, fa hanamafy orina ny sezan’izao fitondrana izao. Na i reo takela-k azo, mitoetra eny anivon’ny kaominina sy ny biraom-pokontany samihafa ireny aza, dia tsy mbola ahitana afisy mipetaka na iray aza. Na ry zareo mpanohana ny ENY aza, dia toa tsy rototra amin’ny fametahana izany, asa tsy resy lahatra amin’ny hevitra tohanany angaha ? Fa ankoatra izay, dia voahogahoga hatrany ireo mba sahy miseho masoandro manao fampielezan-kevitra ho amin’ny ENY.........
Leo ny olona, ka tsy voarebirebin’ny fifidianana kasaina hatao, ary mbola mankaleo ny mponina ihany koa ny mahita ireo mpanao politika mbola sahy mamitaka azy, fa io lalampanorenana io no lalana ahafahana mankany amin’ny fanatsarana ny faripiainany. Dia mitatatata tsy misy mpihaino ireto mpomba izao fitondrana izao e. Ny haino aman-jerim-panjakana no hanaovana sesimototra ny fanazavan-kevitra, saingy resy lahatra amin’izany ve ny vahoaka ? Toa ireo olona nanao sonia ilay fifanarahana teny Ivato, niampy ny kaonferansy nasionaly ihany hatreto no mbola hita mandresy lahatra ny vahoaka 20 tapirisa fa io lalampanorenana io no vaha-olana hampandroso ny firenena. Izay ve no tena marina ? Vainafo zanany
Tsy mahaliana ny olona ny afitsokin'ny Fat amin'izato toraka Bolao dia hany heriny mampiasa itony vehivevy mpampidera ... itony ko!!
