sam.

09

oct.

2010

Fotoana mahamay

Tsy fotoan’ny fitokonana izao satria fotoana tsy hahafahana mamaly ny fitakiana isankarazany. Dia misy misiotsioka any ambadika any: Fa fotoan’ny fitsapan-kevi-bahoaka kosa ary ve izao ? Sa sady tsy fotoan’ny fitokonana no tsy fotoan’ny fitsapan-kevi-bahoaka? Fa fotoana inona izao? Fotoana hafa r’Ingahiroa a! Fotoana mahamay. Mahamay satria niniana nampangotrahana amin’ny tsy antony. Niniana tsy novahana ny olana ara-politika, natao tefy maika ny famahana olana, ny resaka bontolo sy didy boraingona no notaritina handehanana any amin’ny fitoniana? Iza no sahy hilaza fa teny ieranan’ny ankapoben’ny mponina ny hanaovana izatsy na izaroa? Hametraka andrim-panjakana toy izao sy izao? Hitsapatsapa sy hitokotokona? Safidintsika mianakavy ny hiaina korontandrontana e!...

Tsy maharototra ny olompirenena ny korontana arapolitika miseho lany. Fantany tsara fa fotoan’ny fisarahantsaina no lalovan’ny firenena. Tsaroana etoana ilay resaky ny Pastera RABARY: “Ny lehilahy lehibe dia lehibe ny fahavalony, ny lehilahy kely dia kely ny fahavalony, ary ny lehilahy zerô dia zerô ny fahavalony”. Dia azonao an-tsaina amin’izany ny ao an-dohan’ny olom-pirenena: Manam-pahavalo àry ve ny olompirenena malagasy? Iza no fahavalony? Kely? Zerô? Lehibe? Ny olan’ny Gasy tsirairay, ( na ireo mitokona, na ireo mpomba ny fitondrana, na ny mitsipaka ny fanantanterahana ny fitsapankevi- bahoaka, na iza izy na izy.) dia ny adin-tsainy ny amin’ny ho aviny. Aiza no hiafaran’ny fitakiana etsy sy eroa? Inona no mety hateraky ny lalampanorenana vaovao? Mbola hisy fifanarahana hatao ve? Ny fahantrana sy olana aratsosialy efa mby an-koditra. Lehibe tokoa izany ny fahavalon’ny olom-pirenena Gasy. Tsy misy ny filaminan-tsaina fa rotoroto lava. Moa hitondra azy any amin’ny fitoniana tokoa ny fitsapana ny heviny? Hampitsahatra ny fitokonana, izay mahavery fotoana lavabe? Mistery tanteraka! Hozaraina koa ankehitriny ny toerana any Tsimbazaza any, toy izany koa ny eny Anosikely. Ireo rehetra miditra ao anatin’ireo andrim-panjakana (nateraky ny dinan’Ivato) ireo ve dia hanana ny lanjany sy ny hasiny tokoa? Hanamafy ny fihazonana ny fahefana ankehitriny? Atao inona andrim-panjakana hanaraka am-bokony fotsiny ny mpanendry azy? Atao inona andrim-panjakana hatsangana any aorian’ny fanampahan- kevitra? Tsy efa vita daholo ny didy hitsivolana be dia be hitondrana izao fahefana izao? Fitaka izany sa tena fiaraha-mintantana? Tena fotoana tokony hanantanterahana izany tokoa ve izao? Fotoana mahamay satria tsy maintsy ho avy indray ny ady hevitra sy ny fanankianana ireo rehetra voatondro fa hameno seza. Tsy ho lasa fandanian’andro? Koa aza manantena ny mpanao politika rehetra mbola mino fa ny vahoaka dia tsy mahalala izay hitondrana azy, fa hanaraka an-jambany. Mbola lehibe ny olan’ny olompirenena ka tsy hahazo ny fankatoavan’ny valalabemandry koa ity fampijoroana andrimpanjakana nihoaran’ny vanimpotoana ity. Hifandrombahana ny fanamafisana ny fihazonana ny fanjakana satria apetraka eo ampelatananan’ny olona tokana ilay dradradradraina lava fa famahana olana. Iza no afaka hanome antoka fa hitondra feo sy hetsika hafa mihitsy ireo olom-boatendry vaovao? Aza milingilingy manatanteraka nofinofy fa mbola tsy fotoanany izao e! Mahamay sy tsy laitra iainana. Sa hanolo-bato mandoro indray? Ho torahimbato eo no hiafarany? Aoka re ! Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra