sam.
09
oct.
2010
N amp a h a f a n t a r i n a tamin’ny fomba ofisialy tany Toamasina ny alakamisy 07 oktobra lasa teo fa hatomboka amin’ity herinandro ho avy ity ny andrana teknika ao anivon’ny tetikasa Ambatovy, andrana teknika izay hatao ao amin’ny ozinina fanodinana sy fanadiovana ao Antanandava Toamasina ary haharitra amim-bolana vitsivitsy. Asa efa fanao amina tetikasam- pitrandrahana goavana eran-tany ny andrana teknika hataon’Ambatovy. Ny or inasa mpamokatra herinaratra no hisantarana izany. Notsindrian’ny tompon’andraikitry ny tetikasa fa tsy misy ahiana amin’ny fiainan’ny mponina manodidina sy ho an’ireo mpiasa ao antoerana ny fanatanterahana ny andrana teknika, toy ny efa voaporofo hatramin’izay........
Laharam-pahamehana ho an’ny tetikasa Ambatovy rahateo ny fahasalamana sy ny fiarovana ny ain’ny mpiasa sy ny mponina manodidina. Hisy ny fihaonana ho fanentanana sy ho fampahafantarana ireo mponina manodidina mikasika ny fizotry ny andrana teknika rehetra hatao, hisorohana sy hialana amin’ny tsahotsaho isan-karazany. Manodidina ny 80%-n’ny asa fanamboarana eo anivon’ny ozinina Antanandava no efa vita amin’izao fotoana izao, ka volana vitsy sisa no andrasana dia tokony hanomboka ny asa fitrandrahana nikela sy kobalta, antompisian’Ambatovy, mandritra ny 27 taona raha kely indrindra. Amin’io taona ho avy 2011 io no heverina ny hisantarana ny famokarana. Tsara marihina fa miavaka amin’ireo kaompaniampitrandrahana hafa aty Afrika ny tetikasa Ambatovy, noho izy mitrandraka sy manodina ary manadio ny vokatra amina toerana iray. Vokatra efa voadio no aondrana any ivelany. Ny fahita mahazatra hatreto mantsy dia alefa any amin’ny firenena hafa mihitsy ny akora hoenti-mamokatra ahazoana manodina azy ho tonga vokatra ho azo aondrana. Harimbola M.