ven.

08

oct.

2010

Ratsy indrindra ?

Io àry fa nanao feo voalohany iny olona iny. Tsy nanaraka ny baikon’ilay maître d’orchestre, nanokatra ny fampisehoana terý amin’ny Kianja mitafo. Feo hafa mihitsy no navoakany e! Fa ny mbola tsy fantatra dia iny olona iny ve izany hanao TSIA, sa hangina rehefa tsy mitovy feo amin’ny chorale rehetra? Ka inona no tokony hataon’iny olona iny raha tsapany fa ity volavolan-dalampanorenana ity no ratsy indrindra tamin’ireo izay efa nampiharina teto. Iny olona iny ihany koa dia niala maina rehefa nandamina tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina tao. Nikasa handamina (sa hanelanelana?). Tsy nety nivaha ny olana. Tsy nandaitra tamin’ireo mpitokona ny mahaavy any amin’ny faritra atsinanana iny olona iny, sy ny maha-mpikambana azy ao amin’ilay fahefana avon’ny tetezamita. Tokony hazava kosa aloha ny hevitr’iny olona iny amin’ity raharaha politika gasy ity e! Moa tsy anisan’ny atidoha tamin’ilay fanetsiketsehana ny “Dina politika teny Ivato” iny olona iny? Dia efa hatraiza izao ny ho fanatanterahana izay voasonia sy voasoratra tao? Tsy hoe tonga dia hampiharina sy manan-kery moa izy iny? Vita ihany ity ny fikaonandoham-pirenena fa mbola tsy nazava ny resaka hatramin’izao. Fa iza no Praiminisitra noheverin’iny olona iny sy ny antokony hajoro any Mahazoarivo any ?.......

Dia mbola ho tohizan’iny olona iny hatrany izany ny fitakiana ny fametrahana ireo andrim-panjakana hanantanteraka ity tetezamita ity? Koa ilay lalampanorenana aza anie efa miroso mankany amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka e! Ka hatao inona intsony toerana sy lapa? Tsy ho lasa kofehy manara-panjaitra fotsiny eo ? Kanefa dia nanaitra ilay fisehoana tampoka teo fa kianin’iny olona iny ity volavola ity? Lalan-jotra tokana ny miseho, dia tsy maintsy volena indray ny faha-samihafàna mba hahatongavana any amin’ny tanjona tena tiana ho tratrarina? Tokony hazavain’iny olona iny tsara ny hametrahany ny tongony fa manjary voafaoka ao anatin’ny mpisehatra rehetra ihany izy na hanao angoantenda amin’ity feo voalohany aza. Tsy vaovao amin’ny rehetra koa anie ny fahatsapàna fa manao hetsika nifanindran- dalana hatrany amin’ny Filohan’ny fahefana avo iny olona iny e! sa izany no politikan’ny “tsy miady, tsy miady fa ny kibay vimbinina ihany”? Dadan’i Ranto

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra