ven.

08

oct.

2010

Kitra – Barean’i Madagasikara: Mivondrona eny Carion

Ao anatin’ny fampivondronana ankehitriny ireo mpilalao sy mpanazatra mandraf i t ra ny ekipampirenena malagasy na ny Barean’i Madagasikara. Efa nanomboka ny alatsinainy antoandro lasa teo izany. Ao anatin’ny fanomanantena amin’ny fifandonana amindry zareo Etiopianina ny alahady tolakandro ho avy izao, dia ny lalao faharoa ao anatin’ny vondrona B ho an’ny fifanintsanana hiatrehana ny CAN 2012. Hatramin’izao aloha dia mbola mpilalao mpila ravinahitra telo aloha no tonga manatevina ireo mpilalao avy eto an-toerana dia i Nomenjanahary Lalaina (Bolida), Randriamparany Sedera ary Randrianarisoa Mamy Gervais izay samy milalao atsy amin’ny nosy La Réunion avokoa. Mbola andrasana ny fahatongavan’ireo mpilalao hafa ary andrasana ihany koa ny famoahana ireo anaran’ny mpilalao voatana hilalao amin’io. Any Carion no hamoahana izany anio maraina......

Tsiahivina ihany fa niondrika teo anatrehan’ny Super Eagles Nizerianina tamin’ny isa 0 no 2 isika nandritra ny lalao voalohany izay natao tany Nizeria farany teo. Raha araka ny vaovao farany anefa dia nampiatoan’ny federasiona iraisampirenena taranja baolina kitra (FIFA) tsy handray anjara amina fifaninanana rezionaly sy iraisam-pirenena ary fifaninanana ho an’ireo klioba ny federasiona Nizerianina taranja baolina kitra (NFF) noho ny fitsabatsabahan’ny fanjakana nizerianina ny fitantanana ny baolina kitra any Nizeria. Mety ho tombony ho antsika izany, satria mety hitana ny laharana voalohany ao anatin’ny vondrona B raha mandresy an’i Etiopia sy Guinée isika. Na izany na tsy izany dia amin’ny alahady ho avy izao hanomboka amin’ny 2 ora sy sasany etsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina no fotoana mba hanohana Zaka Fils

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra