jeu.
07
oct.
2010
Vokatra iray nentin’ny teknolojia ny tati-nono « pushup ». Tsy inona io fa ilay karazana tati-nono mivoitra, natokana ho an’ny vehivavy somary kely nono, nefa te hampiseho tratra. Nahomby tokoa ny fanadalana saina, satria hita fa nahasarika mpividy maro ny tati-nono « push-up » ary finaritra ny ankamaroan’ireo andriambavilanitra nampiasa azy, nanadala ny sain’ireo lehilahy, amin’ny fitaka bevava. Nono lehibe no avoakan’ny tati-nono « push-up » raha tazanina avy ety ivelany. Tsy manaiky lembenana ihany kosa anefa ry zareo taranak’i Adama. Rafitra namokatra ny silipon-dehilahy “Spanx” indray ny orinasa iray mpikirakira atin’akanjo any ivelany any. Tsy inona kosa ny silipo “Spanx” fa karazana silipon-dehilahy mibontsina, izay natao hamitahana ny vehivavy. Mampiseho izay mety ho endriky ny haben’ny ao anatiny mantsy ny fitazanana ilay silipo avy ety ivelany. Nilaza mihitsy ireo lehilahy nampiasa azy fa “mampatoky tena kokoa ny fanaovana ilay silipo”. Fantatra fa amidy 12 ka hatramin’ny 20 euros ity silipo mibontsina ity.