jeu.
07
oct.
2010
Aiza ilay lalampanorenana e? Efa tafapaka any amin’ny isambatan’olona hifidy ve? Amin’ny tenin-drazantsika ve? Raha misy olom-pirenena mpifidy miisa enina ohatra eto Madagasikara, dia azo antoka fa ny roa amin’ireo ihany no efa namerimberina izany fanontaniana marobe izany. Azo heverina ve ny antony mety ilàna ny vontoantin’izay voalaza sy voasoratra ao anaty lalampanorenana? Raha olom-pirenena mahalala ny tantarampireneny dia tsy hisalasalàna fa ilainy izany, fa raha ny zava-misy ho an’ny firenena malagasy ankehitriny dia fandanian’andro ny hivaky loha amin’izay voalazan’ny lalàna isan-karazany. Fa nahoana e? Satria tsy ny lalàna no zava-dehibe. Tsy misy ilàna izany, fa ny fifanajàna no tsy ampy, tsy misy fifimpitokisana miteraka ny fihavanana, tsy misy fanajàna ny tombontsoan’ny mpiara-belona. Tsy mila soratana sy hifanaovana dina ny fitsipika ara-moralin’ny fanaovana politika. Atao inona moa lalampanorenana, lazaina fa hifampifehezana, kanefa efa misy saina (na moralité) mivonona ny tsy hanaraka izany? ......
Hisy dikany sy lanjany manao ahoana ny fandresen’ny ENY na koa ny TSIA raha azo antoka aty am-boalohany fa tsy hanaja izay vokatra izay akory ny ankapoben’ny mpanao politika Malagasy (mariho tsara fa mpanao politika no resahana eto fa tsy ny malagasy akory)? Mpanao politika iza no sahy hilaza fa hanaraka ara-bakiteny sy hanaja io lalampanorenana io? Ny mpanao TSIA sy ny mpitarika ny olona tsy hifidy dia efa azo antoka fa tsy mivadik’atidoha amin’izay voasoratra ao. Dia ireo olompirenena roa amin’ireo enina voalaza tery aloha izany no mbola hifampizaràn’ny “mpanao eny” sy ny “mpanao tsia”? Eo indrindra ny ady hevitra: Iza no afaka hanome antoka fa ireo “mpanao eny” ankehitriny dia hanaiky sy hampihatra io lalampanorenan’ny Repoblika faha-efatra io? Ohatra voalohany, andininy 94: “Ny Filohan’ny Repoblika no mifandray amin’ny Antenimiera amin’ny alalan’ny hafatra tsy azo iadiankevitra”. Iza amin’ny mpanao politika sy olom-boafidy malagasy no hanaiky an’izany? Moa tsy endrik’izany izao no manjo ny ben’ny tanàna manerana ny Nosy? Ohatra faharoa, andininy 131: “Ny Filohan’ny Repoblika dia tsy tompon’andraikitra noho ny zava-natao teo amin’ny asany, na teo am-panaovana ny raharahany afa-tsy amin’ny famadihana Tanindrazana, ny fandikana bevava na fandikana miverimberina ny Lalampanorenana. Azo tsaraina eo anoloan’ny Fitsarana Avo izy. Ny fiampangana dia mety hiafara amin’ny fanonganana amin’ny asa mahavoafidy azy”. Dia iza no olona hisahana io asa io ka hanaiky moramora izany voasoratra izany? Moa tsy izany no fototry ny olana hatramin’izao? Ny fonony fotsiny tokoa ity no kanto sy meva…Tsy ny fanarahana amin’ny antsipiriany izay voasoratra tsy akory no takian’ny lalàna faran’izay bitika indrindra, fa ny toe-tsaina (na moralité) eo am-panantanterahana izay nosoratana. Fantatry ny mpanao politika gasy tsara ny toetry ny olompirenena entiny, fa efa ela no nandaozany ny toe-tsain’ny “tain’omby mivadika” (izay tsy voasoratra), ka tsy maintsy hararaotiny izany hanohizany ny fandikana lalàna tiany hitoetra eto maharitra. Moa tsy tetika hanamarinana ny lalàna ny fitsapankevi- bahoaka? Ampiasaina ny vahoaka “bemanaiky” na hidina an-dalam-be na handrotsa-bato e! ONY RAMBELO