jeu.

07

oct.

2010

Fiverenan-dRatsiraka eto Madagasikara: Hisy dinika miafina amin’ny FAT ?

Tena vonona ny hody an-tanindrazana Ratsiraka. Heno avy any Paris io, ny fiandohan’ity herinandro ity. Izy sy ny vady aman-janany, ary mpanao politika vitsy niaradalana taminy nandritra ny fitondrany no heno fa mikasa hody aty an-tanindrazana io. Ny mpitondra ankehitriny koa etsy ankilany, dia tsy nisakana ny fodiany, ary efa naneho ny heviny mikasika izany, ny Praiministra Camille Vital, fa mahazo mody izy, ary afaka miresaka fa tsy any lavitra any no mitabataba. Olona mifankahalala tsara ihany koa izy mianaka ireo tany aloha, indrindra fa tamin’ny resaka faritany mizaka tena ireny.......

Raha ny amiraly Ratsiraka dia manana sazy miandry azy any amin’ny fitsarana, nefa dia nanambara izy fa hody. Nandeha ny resaka tao anatin’izay andro vitsy izay, fa mety hisy fifampiraharahàna miafina amin’ny mpitondra ankehitriny izao filazana hodiany izao ? Mety hisy fiaraha-miasa amin’ny mpitondra ankehitriny, ka ho potika tsikelikely ireo ankolafy telo nisy azy. Tombana avokoa ireo, fa ny mahalasa saina ny mpitazana dia ireto mpitarika hetsika amin’ny ankolafy telo nisintaka ireto, dia ingahy Yves Aimé, Ankolafy Ravalomanana, ny Depiote Ramercie ankolafy Ratsiraka, ary Pasitera Edouard, avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Mifangaro voraka ao avokoa ireo rehetra ireo, ka izay no mahatonga ny hafa hilaza, fa hisy fifampiraharahàna miafina ve hitranga eto, ka efa tsinjon’ny mpitaritolona ireo, ka misintaka alohan’ny fotoana izy ireo ? Imasomahita

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra