mar.
05
oct.
2010
Asa ianao raha efa nahatsikaritra mpifankatia toa mifandray ho azy amin’izao fotsiny, tsy mila mifampiresaka. Mifankahazo am-po tsotra izao, tsy mila resaka na teny fa fijery mifanojo fotsiny dia efa mahalaza ny tiana ambara rehetra. « Télépathie » no ahafantaran’ny maro azy amin’ny ankapobeny. Nivoaka ny fanazavana izany ankehitriny vokatry ny fikarohana nataon’ny manampahaizana. Fifandraisana aratsaina ateraky ny fitiavana no mahatonga izany, araka io fikarohana io. Raha ny fanazavana ihany dia mifandray ara-boajanahary ny sain’ny olon-droa mifankatia, toy ireny fifandraisana hita amin’ny solosaina ireny raha ara-teknolojia......
Arakaraka ny haharetan’ny fotoana iarahana no ifampizaran’ny ati-dohan’izy roa ny zavatra ataon’ny andaniny sy ny ankilany. Miampita ho azy amin’izany ny fihetseham- po sy ny eritreritra rehetra eo amin’izy roa. Rehefa tonga eo amin’io dingana io ny mpifankatia dia tratra izay ny hasambarana sy ny fahafenoana. Ny saina no mitarika izany any am-piandohana, izay miteraka ny « sixième sens », izay retsim-panentana faha-enina tsy hita raha tsy eo amin’izy roa samirery ihany. Tsy mampanonofy ve izany ?