mar.
05
oct.
2010
Ny tany tsy milamina, ny fifidianana aroso ! Dia nanomboka araka ny fanirian’ny FAT tokoa ny fampielezan-kevitra momba ny fitsapan-kevibahoaka tamin’ny sabotsy 2 oktobra. Ankoatry ny tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina namorian’ny « mpanohana ny ENY » ny olony, dia nisy vitsivitsy nitsitokotoko ihany koa toy ny teny Antaninandro, izay marihina, araka ny tati-baovao voaray, fa nahitana mpitandro filaminana maromaro teny. Midika ve izany fa mbola tsy milamina azo hanaovana fampielezan-kevitra anaty fitoniana ny tanàna ? Koa nahoana no hatao kiribiby ny hanatanterahana azy ?......
Mahay “mampijoro” ! Ny “mpanohana ny TSIA” aloha hatramin’izao dia mbola tsy hita popoka. Tsy maintsy hijoro anefa io satria mbola misy 40 andro sy alina vao ho tong any fitsapan-kevibahoaka. Andrasana indray ato ho ato ny hamoronan’ny FAT ankolafin’olona “hirotsaka ao anatin’izay komity mpanohana ny TSIA” eo. Zavatra hay sy fanaon’ny FAT io “mamboly olona” io, toy ny nananganany ny “raiaman-dreny mijoro” sy ireo olona 2000 nantsoina tamin’ny fihaonambem-pirenena teny Ivato ka nampitomboana avo roa heny ny mpandray anjara : ho lasa 4600. Vitany izany, hoy ny mpanara- baovao, mba tsy hampitsanga- menatra azy indray ka hanondroana hoe “fitsapankevi- bahoaka mandeha ila (unilateral) tsy nandraisan’ny hery politika sy hery velona anjara ny fanomanana azy. Ny ankolafy Madagasikara, izay ivondronan’ny ankolafy telo sy ireo antoko sy fikambanana ary fiaraha-monina sivily miara-dia aminy, dia efa nanambara rahateo fa “toy ny tsy misy io fitsapan-kevibahoaka io eo imason’izy ireo”. Hamaha ny fahasahiranana hono ? Fa ny tena mampihomehy, dia ny nambaran’ingahy Ratsirahonana Norbert nandritra ny kabary fampielezankevitra nataony ny sabotsy teo tet sy Mahamas ina. Voalazany fa “tena hamaha ny fahasahiranam-bahoaka ny fahalanian’ity volavolandalam- panorenana ity satria anatin’izy ity ny fiantohana ny fanajana ny zon’olombelona, ka rehefa tsy ho voahitsakitaka intsony ny rariny sy ny hitsiny dia afaka avy hatrany ny fahasahiranam-bahoaka”. Fa iza anefa aloha no efa mba nahita ny votoatin’izany Lalampanorenana hakana hevi-bahoaka izany e ? Dia izay izany ry vahoaka ! Tsy voahaja izany ny zon’olombelona amin’izao tetezamita izao satria sahirana ny mponina sy ny fiaraha-monina. F’angaha tokoa moa olan’ny Lalampanorenana no nahatonga ity krizy politika nandentika ny firenena manontolo izao ity e ? Dia matoritoria any an-trano, vakio ny volavolan-dalam-panorenana fa ho hitanao ao ny vola sy ny vaha-olan’ny fahasahirananao ankehitriny. Ao anatin’io lalam-panorenan-dry Ratsirahonana Norbert mbola “varotr’omby anaty ambiaty”, asainy fidinao io izany, hono, no hahazoanao isam-baravarana mividy sakafo ampy sy ara-pahasalamana, mampiana- janaka, manana fahefa- mividy. Raha ity vavan- Dratsrahonana ity angamba no miampy ny an’i Pasitera, dia angamba ho tonga lanitra ny tany e? Tangena
ilay fahasahiranany rahtr'izay voatery hanao sesitany ny tenany rehefa miongana ny FAT no tena mahamay azy.Iaraha-mahalala fa mila vatsy matevina izany fanaovana sesitany izany ka tsy maintsy ilofosana mafy.
Hanao sesintany aôna ary izy??? Ka isika aza tsy sahy mihetsika akory hanala an'ireo eo ko!!...
Ratsirahonana anie mafy be e, olona iray fa tsy resin'ny vahoaka maro be. Fa mandresy vahoaka maro be fa manaiky zay teneniny fôna iska indrindra eto Antananrivo.
Sesin-tany @ aôna ary???
Tena tanteraka tokoa anie fa efa MANDADY NY TRAMBO e dia mbola TSY MISY TAITRA ihany asa angaha RAHOVIANA ? Amiko manokana aloha dia tampona ny domy fa dia : HAPETRAKO EO AM-PELATANAN'ANDRIAMANITRA fa aleo ny SITRAPONY NO ATAO nefa hoy Izy:IZAHO DIA TSY HANAMPY NY OLONA IZAY TSY MIHETSIKA @ FAMONJENA NY TANINDRAZANY : misaotra tompoko , ary ny HCC ve afaka manome alalana @ zavatra tsy ara-dalana e (ILLEGALE) ?
