mar.
05
oct.
2010
Hanondrana kely indray ny basy tsy mipoaka? Tsia! Tsy manondrana fa miteny sy milaza ny tokony ho lôjika. Na ny mpanohana ny ENY, na ny mpanohana ny TSIA amin’izao fitsapan- kevi-bahoaka izao dia samy mankasitraka ny fijoroan’ny fahefana avon’ny tetezamita ankehitriny, ary mino sy manantena fa izao fitondrana izao no hitondra an’ i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy hivoaka ity kizo tsy hita fara ity. Ny mahasamihafa ireto mpanohana ny FAT ireto ny dia ny fandavana ilay volavolan-dalam-panorenana, na koa ny fanekena azy. Ny mpanao ny ENY dia vonona hiroso an-jambany any amin’ilay fanovàna sy ilay Repoblika faha-efatra. Ny mpanao ny TSIA indray dia ireo mbola te hijanona amin’izao tetezamita avo izao. Nitarika ny Komity mpanohana ny Eny tamin’ny fotoampanokafana teny amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina, ny mpanolo- tsaina manokan’ny Filohan’ny tetezamita avo. Izy ihany koa no efa nivolana teny Ivato fa tsy nilaina sy tsy tonga teny amin’ny fikaonan-doham-pirenena ny volavolan-dalam-panorenan’ny Filoha Avo. Dia mazava izany fa” IZY” no hampanao sy hitarika ny mpanohana ny fahefana avo ho amin’ny fandaniana ny ENY.........
Samy manana ny fomba fiadiny, ary dia nentaniny hiroso amin’ny fanovàna sy ny tsy fiovaovan-kevitry ny olomboafidy eny amin’ny lapan’ny Tsimbazaza ireo rehetra nanatrika. Mihatery ny fivangongom-pahefana eo amin’izay ho filohan’ny repoblika. Tonga teny avokoa ny mpiara-mitolona teny an-kianja, ary indrindra ireo efa lasa ho tompom-pahefana any anaty lapa rehetra any. Ireo tsy mankasitraka ny FAT kosa, na dia tsy arovan’ny lalàm-pifidianana aza noho ny fanentanany tsy handrotsa-bato, sy manomana ny tetika rehetra tsy hahavanona ity fitsapankevi- bahoaka ity. Dia mazava ihany koa izany fa tsy maintsy hisy ny antokon’olona tokony hanao TSIA. Ary raha ny lôjika sy ny marina kokoa dia ny filohan’ny fahefana avo no hitarika izany. Satria tsy ilay volavolan-dalàmpanorenana, nandaniany sy ny teknisianiny ron-doha fa tiany hitondràna ny Repoblika faha-efatra efa nofinofisiny hatry ny ela, no hatolotra sy hangatahana ny safidim-bahoaka. Izay no antony lehibe indrindra, fa tsy ambanin’izany ny pitsopitsony isan-karazany tsy mety loatra amin’izay eritreriny, toy ny hoe: tsy ho azo ovaina mandritra ny taona maro mifandimby izy ity (fa tsy folo taona fotsiny). Ny fahefan’ny Filohan’ny Repoblika izay tsy maintsy hifampizaràna amin’ny antenimieram-pirenena. Mety hisy hilaza fa izy anie tsy mihevitra ny hirotsaka akory ho fidiana e! Tena marina izany. Ary raha mandresy ny TSIA dia tsy ho foana akory ny fahefana ananan’ilay filoha avo, fa mbola hahita hirika hametrahana lalam-panorenana vaovao hafa indray izy hampandaniana ny hevi-bahoaka. Hitohy hatrany ny tetezamita Avo , ary mandritra ny fotoana tsy voafetra. Moa tsy izany no mety tsara aminy? Dia enga anie ho diso fiantefa ny eritreritra mananihany sy maminavina ny lalan-jotran’ny fampielezan-kevitra ankehitriny. Raha diso izany dia hadalàna ny an’ny “vahoaka” mikiakiaka ny fanovàna sy ny demokrasia. Eritreritr’angidina ny hevitra hamerenana ny lalana ho amin’ny ara-dalàna sy fanarahana ny lalampanorenana. Isika koa moa tia sy mankafy zavatra hafahafa sy tsy manara-penitra tato ho ato. Ka ny hevi-bahoaka ve no hodisoan’ny tantara sa ny tantara no handiso ny hevitra noterena ho masaka? Ony RAMBELO