mar.
05
oct.
2010
Afa ihany ny tanindrazana, saingy ilaina ny maka rivotra any ivelany. Ny tany koa etsy ankilany mbola tsy milamina, ary rariny raha tsy atao mahoraka loatra eto amintsika izany, sao haningotra ny ain’ireo ray aman-dreny ireo. Miara-miaiky ny rehetra, fa mitaky ny hodian’ireo filoha roa ireo sy ny vady amanjanany eto. Mety azo ekena izany, saingy iza amin’ireo olona mitaky ny hiverenany eto no hiantoka ny ainy ? Ny ratsy tsy kely lalana, ary azo antoka fa misy ny mifofo ny ain’izy ireo, satria isan’ny olona atahorana ho tafaverina eo amin’ny fitondrana izy mianaka ireo. Tsy hiteny ny lahatsoratra hoe ny mpitondra ankehitriny no hanao izany, fa ireo izay tsy maty voalavo ankibo dia azo antoka hanana sain-dratsy amin’io. Ka hody amin’ny ahoana ary i Dada sy Dadabe e ? Raha izao tranga eto izao no atao indray mipimaso, dia mety hivantana any Tsiafahy na Antanimora izy ireo, raha higadona eto, satria misy raharaham-pitsarana navoakan’izao fitondrana izao mahakasika ireo olona ireo. Tsy nisy ihany koa etsy ankilany ny filazana momba ny amnistie faobe ka ho sehatra ratsy no hivantanan’izy ireo eto. Raha tsy hoe angaha hisy fanelanelanana ataon’ny sehatra iraisam-pirenena. Pilo kely
Marina mihitsy anie zany lazainao zany ry Pilo Kely e! Tsy lazaiko fotsiny ilay anakiray mipetraka ery antsimondrano tsy tahotra tsy henatra managalatra sady mampias ny fiaran'i Dada e.
Mba lazao ho fantatry ny olona ny anaran'izany mampiasa fiaran'olona tsy tahotra tsy henatra izany. Efa fombandry FAT io le mizesta @ zavatra olona io ka.
