lun.
04
oct.
2010
Efa midina hatrany amin’ny Distrika marobe any amin’ny faritra any, ny komity tarihan’iny olona iny. Vonona hiatrika ny andraikiny ho amin’ny fanantanterahana ny fifidianana hifanesy eto amintsika ry zareo araka ny fanambaràny. Tsy nisalasala ihany koa iny olona iny naneho ampahibemaso ny pitsopitsony amin’ny fitaovana eo ampelatanan’izy ireo. Noresahany hatramin’ilay trano printy nanankinana ny fikarakarana ny bilétà tokana ihany koa. Nanantitrantitra moa iny olona iny fa tsy maintsy ho voapetraka mialohan’ny fanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka ny komity isan-tokony, ny fitaovana rehetra, toy ny solosaina mirakitra ny lisipifidianana, ary ny lalàna rehetra mifandraika amin’ny fanantanterahana ny fifidianana. Nambaran’iny olona iny ihany koa, fa mitohy tsy mitsahatra ny atrik’asan’izy ireo miaraka amin’ny rantsa-mangaikan’ny firenena vahiny toy ny Friedrich Ebert Schtiftung (Alémà) sy ny sampan’ny OIF (Frantsay).....
Raha nozohina tsara ny resaka naverimberin’iny olona iny dia nohizingizininy hatrany fa tena mahaleo tena izy ireo , ary tsy misy hery politika na avy aiza na avy aiza ka afaka mibaiko azy ireo. Tsy menatra koa anefa izy milaza fa ny fitaovana sy ny famatsiana ny vola dia ny mpitondra no manantanteraka izany. Ary tsy afaka hisara-manta amin’ny Minisiteran’ny ati-tany ity Komity tarihiny ity, fa ilaina ny fitantanana ny raharaham-panjakana mifandraika amin’ny fitantanan’ny fitondrana foibe. Dia mazava tsikelikely izany fa tsy mahavita tena akory iny olona iny sy ny komitiny fa mila ny fientanan’ny rehetra ho amin’izay tena hahatontosany ny adidy aman’andraikiny. Dia ho sanatria ve hisy dikany amin’ny fahaleovantenan’ity komity ity ny tsy fahavitan-tenany amin’ny fampitaovana? Sarotra moa no hanome fiofanana, na herintsaina, na fitaovana ho an’ny komity iray kanefa tsy ho takiany,na hilàny tambiny izany. Sa dia tena mbola manao ny asan’ilay samaritana tsara fanahy ny fitondrana naniraka sy nampijoro ny Komitin’iny olona iny? Tokony hanana fahasahiana hanapotsipotsitra ny faneriterena manjo azy kosa iny olona iny, raha sanatria ka misy izany…fa tsy hanao tsianjery maimbo fotsiny ho mahaleotena kanefa tsy afaka hanana fidrikinana amin’ny tsy fihetezan-javatra .Ny mahagaga manko dia harangarangan’iny olona iny hatrany fa raràn’ny lalàna ny fihetsika toy izao na toa itsy. Mahaleo tena ve izany sa hivadika ho mpampihatra lalàna indray ry zareo? Dadan’i Ranto
nefa anie tsy hitany ireo tomobilimpanjakana be dia be tao @ kianjamitafo e!!!!!
fa angaha an'ny fanjakana koa ireny fiara ireny ra-hendry?
Raha izany no marina dia ilay ceni mihitsy no horera fa tsy ny HAT
Ny olona ve tsy hanararaotra ny fahefana eo antanany?
mahaleo tena ny komity tarihin'iny olona iny kah.Mambra ambadika ao daolo anie ny fanjakana e.De ho tapaka eo ny karaman'iny olona iny raha mikinanga eo izy .De iza no tiany: ny vady aman-janany velominy sa ny vahoaka mitady ny mangarahara???
