lun.
04
oct.
2010
Ny 19 aogositra 1999 no nodidiana fony izy tao ambohoka, i Samuel Armas, tratry ny aretina “spina bifida”. Voalaza ho aretina vitsy mpanana, mahafaty izy ity raha tsy vitaina any am-bohoka ny fandidiana. Ny 2 desambra 1999 no teraka soa aman-tsara ity zaza ity. Hankalaza ny faha- 11 taonany izy atsy ho atsy ary salama tsara amin’izao fotoana izao. Mpitsabo mpanampy amina hopitaly iray ny renin’i Samuel. Efa reny ny lazan’i Joseph Bruner, mpitsabo mpandidy manam-pahaizana manokana amin’ny fandidiana ny zazakely any am-bohoka. Hafakely ny momba an’i Samuel izay niteraka resa-be tany am-pitan-dranomasina any. Nisy olona nahavita naka sary mantsy nandritra ny nisehoan’ilay tantara......
Notantarainy ary fa nizotra tsara ny fandidiana tamboalohany. Nalaina ny tranonjaza, nokiahina kely, nahazoana nanao ny fandidiana an’i Samuel, tao anatiny. Nony efa hakatona hozairina amin’izay anefa ilay tranon-jaza dia nisy tanana kely nivoaka tampoka tety ivelany. Voalaza ho namikitra mafy ny tanan’ilay mpitsabo nanao ny fandidiana ilay tanana kely vao niverina moramora tao anaty tranonjaza. Araka ny filazan’ilay mpitsabo anefa dia fihetsika vokatry ny “réflexe” no mety nahatonga ilay tanana kely nipotsaka avy tao anaty tranon- jaza. Feno 21 herinandro i Samuel nandritra io fandidiana natao azy io. Araka ny fantatra ihany anefa dia nanova fiainan’olona maro tratry ny hakiviana ny nahita ilay sarin’i Samuel tao ambohoka namoaka ny tanany, izay mitory fanantenana ho an’ireo reny manan-janaka tratry ny aretina ratsy tahaka ny “spina bifida”