lun.
04
oct.
2010
Lasa izao raha tsy mibolisatra ! Hifampitadiavana indray manomboka anio ny vahoaka, mba handatsa-bato hanamafy orina ny sezan’ny mpitondra. Ho tsaroana sy ho voatambitambin’ny fanomezana tsy mahavita taona indray ny olona manomboka anio. Sitrany ahay vaza-mihetsika hoy ny tsy manan-katokona e. Na dia tsy fantatry ny vahoaka aza ny vontoatin’ny lalampanorenana izay ho fidiany amin’ny 17 novambra izao, dia tapa-kevitra ny FAT fa tsy maintsy aroso ihany io volavolan-dalampanorenana hidirana any amin’ny repoblika faha-efatra io. Vahoaka 20 tapitrisa no tokony hahafantatra ity lalampanorenana ity, fa tsy olom-bitsy. Raha izao anefa no fandehany, dia andian’olona ao anaty fitondrana sy eo anivon’ny mpanohitra no hahalala misimisy kokoa ity lalampanorenana ity. Tapa-bola handemena ny sain’ny vahoaka hanao ENY na TSIA. Ao anatin’ny 15 andro hianaran’ny vahoaka tsianjery ity lalampanorenana ity, ary dia taomina izy handatsa-bato aorian’izay. Ho voatsidika sy voavangivangy indray ny vahoaka manomboka anio, ary ho voky fampisehoana maimaimpoana sy kabary tsara lahatra. Vita io, dia higoka ny mangidy indray ny vahoaka malagasy rehefa vita ny ilàna azy. Ndao anie fa hiarahana mahita eo ny tohiny e. Basy vava