lun.

04

oct.

2010

Fampielezan-kevitra: Homena sehatra ve ny mpanohitra ?

Hanombok a anio ny propagandy ! Samy hanao izay heveriny fa hahatafita ny heviny ny rehetra, na ny mpomba ny ENY, na ny TSIA. Mety hanohintohina ny mpitondra anefa ny hiparitahan’ny mpanohitra miara-dia amin’ny ankolafy telo, sy izay tsy mankasitraka izao fitondrana izao, hilaza ny heviny malalaka amin’izay. Ny antony, dia afaka hametaka afisy an-kalalahana izy ireo, ary hitaona vahoaka hanao TSIA andalam-be. Tsy ho azo samborina amin’izay hevitra avoakany eo izy ireo, satria malalaka ny fanehoankevitra na amin’ny haino aman-jery, na amin’ny sehatra izay ahafahany manao izany, rehefa tsy mitarika olona hikorontana. Hipoitra eo avokoa ny lamba maloton’ity tetezamita ity, ka mety hisy ho voatampim-bava ihany na dia tetezamita aza. Ho hitantsika eo izay tsy mahatanty tsikera, fa ny fampielezan-kevitra ity efa manomboka anio. Pilo kely

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra