sam.
02
oct.
2010
Miova ny raharaha ankehitriny. Tsy misy famantarana intsony hoe: Aiza ho aiza tokoa isika mianakavy? Mitety onja mahery ! Samy mifikitra amin’ny familiana daholo, ary mihambo ho manana ny marina izay rehetra miteny. Ny zavatra tsapa aloha dia mivonona ho tompon’ny fanapahana ny mpihazona ny fahefana. Miseho hatrany anefa ny tsy fitoviana fijery amin’ny mpanao politika, ary mikorontana tanteraka ny fanehoan-kevitra. Fizarazarana no nateraky ny amboletra hitondràna ny fitsapan-kevi-bahoaka. Amboletra satria arakaraka ny hirosoana no vao mainka mihatery ny lalan-kivoahana. Fitadiavana vaha-olana ho amin’ny famahana krizy no eritreretin’ny malagasy amin’ny ankapobeny kanefa fanamafisana “ny tetezamita haingana sy maharitra” no ataon’ny mpitondra. Repoblika vaovao? Sa Repoblika ovaovaina? Sa Repoblika miovaova no hatsangantsika? Rehefa noravàntsika ny Repoblika miisa telo teo alohan’izao dia mbola misy ve olompirenena, na mpanao politika mihevitra fa tokony tsy hiova isika ka hihazona hatrany ny iray amin’ireo Repoblika telo taloha? TSIA avy hatrany no valiny. Ka ahoana àry ny tokony ho lalan-kizorana satria manontany ny mpiray tanindrazana ny mpitondra fa hekentsika ve ny hiova? Hizotra any amin’ny Repoblika vaovao ve isika? Hanaiky ny lalampanorenana vaovao? Tsy hisalasalana ihany koa ny valiny fa ho ENY.......
Raha izany no dinihina amin’ny saina tsy miangatra dia mety ho hadalàna ihany ny manentana ny olompirenena hanao TSIA? Na koa hanentana azy tsy handrotsa-bato? Tsy horesahina akory ny vontoatin’ny voarakitra ao anatin’ny volavolan-dalampanorenana dia hita avy ety ivelany avy hatrany fa hiteraka fizarazaràna sy fiovaovankevitra tsy hita fiafaràna ny safidintsika mianankavy. Asa moa raha izao tokoa no dikan’ilay vaha-olan’ny samy Gasy nodradradraina matetika tato ho ato, na koa ilay fivoizana ny resaka fanoherana izao teteamita avo izao. Ireo voatondro molotra fa “mpanohitra” ny fitondrana avo amin’izao dia tsy ho sahy hanao TSIA amin’ity fitsapan-kevi-bahoaka ity, satria azo hadika izany fa ekeny ilay fahefana mitondra an’i Madagasikara izay mpikarakara ity fitsapana ny hevi-bahoaka ity. Tsy ho afaka hanentana ny olompirenena tsy handatsa-bato ihany koa anefa fa ho voatondro ho tsy mpanara-dalàna sy manentana amin’ny fikomiana amin’ny fanjakana, ary tsy ho arovan’ny lalàna velona mihitsy fa “miteniteny foana”? Dia mazava izany fa hiroso any amin’ny Repobikan’ny fisarahambazana isika. Handeha amin’ny lalan-kevitra vao mainka hifanolanana. Ny olana ho an’ny fanelanelanana atao ankehitriny dia ny fitadiavana ny dikan’ny hoe: “tsy momba ny andaniny sy ankilany” (neutre?). Tsy <neutre> ny mpiray tsikombakomba amin’ny tsy rariny sy ny tsy aradalàna. Tsy mahaleo tena ny mpikarakara manantanteraka ny baikon’ny mpaniraka azy. Ny fanekena ho mpiombon’antoka amin’izao fahefana izao dia tsy mamaly ny dikan’ny hoe:” fiaraha-mitantana”, na iza na iza hanantanteraka azy. Vao mainka hampiharihary ilay hevitra mitanila. Tsy aleo ve mangina sa hiraviravy tanana fotsiny? Tsy maintsy ho tonga any amin’ny “Manjakavahoakan’ny Gasy faha-efatra” isika na ho sarotra sy mideza aza ny lalana e! Ony RAMBELO