sam.

02

oct.

2010

Hiala ve i Andry TGV raha mandresy ny TSIA?

Hanomboka izany ny fampielezan-kevitra ho an’ny referandaoma ataon’ny tetezamita. Na mbola tsy fantatry ny vahoaka aza izay vontoatiny, dia terena handatsa-bato ny vahoaka, satria izay angaha no haha-mari-toerana izao tetezamita izao. Kajikajy politika mamono vahoaka no ataon’ny FAT. Tsy misy mankato azy ny firenena eran-tany, ka dia io narosony ho fidiana io ny lalam-panorenana hitondrana ny tany sy ny fanjakana. 20 tapitrisa ny malagasy, saingy firy amin’izy ireo no mahafantatra izay ampahan-dalàna voarakitra ao anatin’io ? Eny fa na dia ireo feno 18 taona no miakatra fotsiny aza. Izao no tetika maizina kotrehina amin’ity fifidianana ity : napetraka ao anaty lalam-panorenana andininy faha-168 ny anaran’ingahy Andry Rajoelina, mba ho afaka hitondra ny firenena mandram-pahavitan’ny fianianana izay ataon’ny filoham-pirenena lanim-bahoaka eo......

Tsy hisy afaka hilaza intsony avy eo, fa olona nandrombaka fahefana izy, satria nisy vahoaka nisafidy ny hametraka azy eo, tamin’ny alalan’ilay fitsapankevi- bahoaka. Iny no rano voahasina hanamasina azy ho eo amin’io toerana io, ka raha misy mikasa hanongana azy, na tsy mankato, dia apetrany, fa mandika ny lalampanorenana lanim-bahoaka. Ny tsy nahampahafantarina ny olona kosa, dia ny hoe raha mandresy ny TSIA, hiala ve ingahy Andry Rajoelina sa hibodo toerana ihany ?

Hanao asa goavana hono ? Ireo ambara fa asa goavana hatao isaky ny faritra, dia fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana. Ho taitra ny olona amin’izay, ka hirohotra handatsa-bato. Na tsy mbola mazava aza ny fampiasana ny volam-panjakana, dia ampiasaina amin’izay hahamarin- toerana ny tetezamita atsy ho atsy izy io. Ny andrimpanjakana mpanara-maso ny volam-panjakana etsy ankilany, tsy misy. Hanao izay fara-heriny ny fitondrana tetezamita hampandany ny ENY, satria nandresy foana io hatramin’izay, ka hisehoseho eo anoloan’ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo, fa mankamamy azy ny vahoaka malagasy. Lalampanorenana tsy hateza anefa io raha ny fijery azy, satria toa tsy mikatsaka ny hipetrahan’ny firenena amin’ny filaminana tsy misy romoromo, fa toa natao hampakarana olona amin’ny toerany. Isan’io ny nametrahana ny anarin’ingahy Rajoelina ao anaty lalampanorenana. Tsy fahita hatramin’izay naha-tany ny tany izany, saingy nataon’ity FAT ity ihany, satria mafy izany tehifikitra amin’ny sezam-boninahitra izany. Dia ho hita eo izay hiafaran’ny tanindrazana, fa tena lalaovin’ny mpanao politika, ny ho avy mamiratr’i Madagasikara. Ramarikivy

écrire commentaire

Commentaires: 4

  • #1

    be loha (samedi, 02 octobre 2010 09:51)

    na ny eny, na ny tsia no mandresy dia tokana ihany no hiseho.
    HIJANONA eo am fitondrana rajoelina.
    Hamolavola lalampanorenana hafa indray izy raha ny tsia no mandresy.
    Efa nilazaizany i Maharante J d Dieu tao amin'ny radio VIVA andoany maraina
    Nareo ato am basy vava koa efa hitako nandalo ny masoko ny artikl n'i Ony R toa miteny izany ihany. Sa tao am tribune moa iny?

  • #2

    rama (dimanche, 03 octobre 2010 15:03)

    koa raha mbola hijanona eo ireo mpanongam-panjakana ireo : TENA MARINA FA TSY HISY NA INONA NA INONA INTSONY ETO MADAGASIKARAFA TAY SISA NO HAJANONY ETO DIA LASA IZY AVY EO ,TENA SUR 100% izany fa tapaho ny ..............

  • #3

    dodo (lundi, 04 octobre 2010 11:52)

    hita eo zay lan e!ça ne vaut pas la pine

  • #4

    Soa (lundi, 08 novembre 2010 19:17)

    Moramora amin'ny fomba fiteny. Hanina eny an-tanan'ny PISO maratra ianao raha mahazo azy

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra