sam.
02
oct.
2010
Saika efa miverina tsikelikely an-tsekoly avokoa ankehitriny ny mpianatra madinika, handia ny taompianarana vaovao 2010- 2011. Mahakasika izay tontolon’ny fanabeazana izay indrindra dia hita amin’izao fotoana izao fa betsaka ireo trano fonenana tsotra nanjary navadika ho trano sekoly eto an-drenivohitra. Misy fitsipika ara-pahasalamana sy fenitra tokony harahana ihany anefa momba ny fanorenana sekoly fa tsy hoe ataotao foana amin’izao. Araka ny fanadihadiana natao dia hita fa mbola betsaka ireo sekoly manana lavapiringa tsy manara-penitra. Sekoly iray anatin’ny efatra no tsy manavaka ny trano fivoahana natao ho an’ny ankizilahy sy ny ankizivavy. Ny karazana fotodrafitrasa natokana ho an’ny olona manana fahasembanana tsy resahana intsony.......
Momba ny fisasana indray dia hita fa betsaka ireo trano fivoahana tsy misy fanasan- tanana akory. Ny 12,8%- n’ny sekoly nanaovana fanadihadiana ihany no ahitana savony sy lamba famaohana ary taratasy fivoahana. Tsy ampy ny fanadiovana hany ka mahery ny fofona, manimba ny rivotra iainan’ny ankizy any an-tsekoly. Hita ihany koa eto amintsika ny sekoly aorina amina trano fivarotan-toaka, izay efa voararan’ny lalàna. Misy ireo tsy manana tokotany akory natao hilalaovan’ny mpianatra. Misy ny sekoly tsy voasaraky ny rindrina akory fa lambam-baravaran-kely no solon-drindrina. Ankoatra ireo dia hita amin’ireo sekoly sasany miorina eny anelakelan- trano eny ny tokotany sy ny tohatra malama mety hampianjera … Ny fivelaran’ny mpianatra amin’ny lafiny rehetra no tanjona kendrena. Tokony hatao mifanaraka amin’izay avokoa ny tontolo anabeazana azy ireo. Ilaina ny fanorenana fotodrafitrasa tsy miteraka loza na aretina ho an’ny mpianatra. Ny lalàna frantsay ohatra dia mametra ho toeram-pivoahana iray no tokony hatokana ho an’ny ankizy 20 ary tokony hosarahana hiavaka tsara ny trano fivoahana ho an’ny lahy sy ny vavy. Tokony hokendrena tsy hanahirana ny ankizy ny hidim-baravarana. Mbola lavitra ny lalana hahatongavan’ny sekolintsika malagasy ho amin’izany. Ny mpianatra ankehitriny anefa no ho avin’ny firenena rahatrizay. Ireto misy olona mitondra ny heviny, sendra anay. Harimbola M.
tokony ho jerena akaiky ny momba anio fa toa variana loatra @ resaka politika ny mpitondra
