ven.
01
oct.
2010
Fomba fitenin-jatovo rehefa mahita ekipa iray manomboka vizana io io entina hisarihana ny sain’ny mpamaky io. Tsy nalazo akory ny ravina nihinanana, dia efa hanomboka hifandefona ivoho sahady ny mpanao politika tafara-dalana ao anaty tetezamita izao. Akaiky ny fifidianana, dia efa heno sahady fa andeha irery ny TGV fa tsy mila mpijapy masinina intsony. Ilaina manko ny fahazoana toerana maro manerana ny faritra 22, izay hiainga any amin’ny toeran’ny ben’ny tanana. Ireo antoko nilaza fa mikambana ao anatin’ny UDR dia efa voakopakin’ny fatsy avy aty amin’ny TGV, ka tsy maintsy mitady izay asiana ny tongotra sahady, sao rendrika ao. Midika izany, fa lasa ho mpifanandrina ara-politika, ary mety tsy hifandevi-maty mihitsy ireo antoko nanantena hialokaloka ao anatin’ny antokon’ingahy Andry Rajoelina. Hanomboka ny fifanakianana mivaivay, ary hifanala-baraka toy ny fahita hatramin’izay ireo. Tsy misy resaka mpiaramisaosy intsony mantsy eny ankianja, fa izay ahababo ny fon’ny mpifidy hifidy ny tena no maha-maika. Dia hoy ny mpitazana hoe karakarao fa mivoraka. Izy mianankavy aza miady an-trano, koa olona izy no mbola ho resy lahatra amin’izany fihetsiny izany ? Tsy atao mahagaga izany, satria ny fanonganana ny mpitondra teo aloha anie no niraisana fa tsy hiara-dalana hatrany amin’ny fifidianana e. Hatrany am-boalohany, dia efa hita, fa seza sy voninahitra no nahatonga ny ady saritaka teto, ary io mbola ho hamafisin’ny antoko, ho very seza io atsy ho atsy. Izay tsy zatra misedra safidim-bahoaka no tena mampalahelo, satria iza intsony no zatra hanome toerana anao lava eo, nefa aza ianao tsy misy olona mpanara-dia akory. Dia hoy izahay hoe karakarao fa mivoraka e.