jeu.
30
sept.
2010
Feno fitaka. Teren-komasaka toa voalobo-jaza indray ny lalampanorenana. Efa natolotry ny komity mpamolavola ny Lalampanorenana (CCC) an’i Andry Rajoelina, ary efa niadian-kevitra niaraka tamin’ny priminitra Vital Camille, ny volavolandalampanorenana kasain’ny fahefana avon’ny tetezamita (FAT) aroso hitsapana ny hevibahoaka amin’ny 17 novambra 2010 ho avy io. Marihina aloha fa na dia io daty voatondron’ny FAT hanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka io aza dia mbola tsy eken’ny mpanao politika, indrindra ireo avy amin’ny ankolafinkery politika telo, satria tsy niaraha-nanapaka izany......
Ny fehin-kevitry ny fihaonambem- pirenena rahateo (izay efa be ireo nandray anjara tao no nanakihana azy satria be no niova an-dalana tamin’ny fanapahan-kevitra noraisina) dia sady tsy nandinika ary tsy nanondro datim-pifidianana « ivoahana amin’ny krizy » koa, fa dia ilay daty naroson’ireo mpanao politika nitambatambatra tao anatin’ny ESCOPOL sy ny UDR Fanovana ihany no « lany antsokosoko ». “Tsy ampy ny fepotoana hanazavana amin’ny antsipiriany ny votoatin’io volavolan-dalampanorenana hitsapana ny hevi-bahoaka io”, araka ny fahitan’ny olom-pirenena maro azy eto an-drenivohitra. Koa raha ny eto aza tsy ampy ny fotoana hanazavana azy, dia mba ahoana ny any amin’ny Faritra sy ny tany lavitr’andriana rehetra any, indrindra raha lasa nihanitombo isa ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra tao anatin’izay roa taona latsaka kely izay? Mbola amin’ny teny frantsay ilay volavolan-dalampanorenana, ka asa rahoviana vao ho vita amin’ny tenin-drazana Malagasy izy io, mba ho vakian’izay mahay mamaky teny ? Fitaka bevava Raha lazaina fa “lalampanorenana tena hitondra fampandrosoana sy t s y hiverenan’ny krizy intsony” no aroso hakana ny hevibahoaka amin’ny latsa-bato, dia mampiahiahy fa tsy ho azo kitihana na asiam-panitsiana mandritra ny folo taona aorian’ny nandaniana azy ilay volavolan-dalampanorenana. Nanangatra ary naverina indray ny rafitra “Faritany miazaka tena” araka ny endriny teo aloha, izay efa niarahanahita fa niteraka krizy politika goavana tamin’ny taona 2002. Tsy izany ihany fa mampahatsiahy ilay “lalàna gadra” nampiharina nanomboka ny volana aprily 1957 (Loi cadre Deferre) navoakan’ingahy Gaston Deferre ministry ny firenena zana-tany frantsay any ivelan’i la Frantsa (ministre de la France d’Outre Mer) nizarana an’i Madagasikara ho faritany enina (Antananarivo, Fianarantsoa, Toamasina, mahajanga, Antsiranana, Tol iara) , mba hahamora ny fanjanahana kokoa an’i Madagasikara sy hiarovana ny tombontsoan’ny Frantsa. Fizaram-paritra notefitefen’ny frantsay hanohizana ny “zarazarao hanjakana” tamin’ny andron’i Galliéni. Dia hanalavitra ny vahoaka ifotony indray izany ny fanapahan-kevitra satria ny any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Vatovavy Fitovinany, ohatra dia tsy maintsy any Fianarantsoa no hanapahan-kevitra momba ny fampandrosoana sy izay mety ho olana mitranga any amin’izy ireo. Efa tsy nampandroso io fizaram-paritra io nandritra ny 43 taona nipetrahany, satria tsy niorina tamin’ny fiariankarena sy filàn’ny mponina, ny fitovian’ny fomba amampanao, sns… Fa tena fitaka bevava ny ametrahana fepetra tetezamita ao anaty Lalampanorenana, ny andininy 168, milaza fa “i Andry Rajoelina no ho filohan’ny tetezamita mandrapanaovan’izay filoha voafidy hitantana ny Repoblika fahaefatra fianianana”. Fitaka satria sady hifidy hametraka an’I Andry ho filohan’ny tetezamita izany izay manao “ENY” ? Taiza no mbola nisy Lalampanorenana nametraka anaran’olona ho tompon’andraikitra toy izany, raha tsy hoe hiroso amin’ny fitondrana Jadona isika ? Koa raha misy krizy miseho izany afaka roa na telo taona na dimy taona aorian’ny nandaniana azy dia mbola ho i Andry Rajoelina ihany no ho filohan’ny tetezamita ? Raha tsy lany indray ny ENY dia hiala ihany koa ve ingahy Andry Rajoelina? Rakoto
ahoana ndray ty volavola n-dalampanorenana misy anaran ty ndray e! mahagaga
Hita mibaribary, voasokajy ho olona adala avy hatrany izay mbola miteny hoe mety io volavolan-dalana io,efa ela no nofitahina ny malagasy ary mbola hofitahina @ fomba miharihary @ ity indray mitoraka ity.
