jeu.

30

sept.

2010

Kitra – « THB Champion’s League » Lalao famaranana kely: ny an’ny AS Adema sy Voromaherin’Alaotra

Lalao roa tamin’ireo lalao telo izay tsy maintsy naverina tao amin’ny vondrona F teo amin’ny AS Fortior Atsinanana, AS Adema Analamanga ary Voromaherin’Alaotra nandritra ny dingana voalohany ho an’ny THB Champions League no tontosa hatramin’izao. Tafavoaka voalohany tamin’izany aloha hatramin’izao ny AS Fortior avy any Atsinanana, satria efa nandresy indroa izy ireo. Samy taorian’ny “tors au but” avokoa mantsy no nanilihan’ny ASF ny Voromaherin’Alaotra tany Ambatondrazaka ny alakamisy lasa teo sy ny nandreseny ny AS Adema tany Toamasina ny talata lasa teo.......

Nitana ny laharana voalohany aloha izany hatramin’izao ny AS Fortior, ka raha araka ny tohin’ny fandaharan- dalao dia hijanona ao an-tananany ihany izy ireo ary hampiantrano ny Japan Actuel’s Fc Analamanga sy ny 3FB Toliara. Ho lalao famaranana kely kosa ny an’ny AS Adema sy Voromaherin’Alaotra izay hotanterahina anio tolakandro eny amin’ny kianjan’Alarobia. Izay handresy eo mantsy no hitana ny laharana faharoa ka hilalao any Antsiranana miaraka amin’ny AS Jirama Fianarantsoa sy ny FC Joel SAVA. Raha tsiahivina moa dia nirava ady sahala samy tsy nitoko ny ekipa roa tonta nandritra ny lalao voalohany tany Ambatondrazaka. Tsy maintsy hisy handresy anefa anio vao hirava ny lalao, izany hoe tsy maintsy tonga hatramin’ny “tors au but” raha ady sahala aorian’ny fepotoana ara-dalana sy ny fanalavam-potoana. Zaka Fils

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra