jeu.
30
sept.
2010
Maty indray ny afo saika nidodaka teny ankatso. Navoakan’ny fitondrana FAT haingana ny vola tao amin’ny banky foibe namonoana ny afon’ny mpandraharaha sy ny mpianatra, izay saika nihitatra an-dalambe. Loza izany tahotry ny fitondrana izany, satria tsy ny famaliana ny hetahetam- bahoaka mihitsy no nataon’izy ireo, fa tahotry ny hetsiky ny mpianatra sy ny mpandraharaha, ka mety hihitatra hatrany amin’ny fialàna amin’ny sezan’ny mpitondra. Nivoaka tsy fidiny ity ny vola avy any anaty kôfran’ny banky foibe mba entina handoavana ny karaman’ny mpiasa sy ny vatsim-pianaran’ny mpianatra. Nisy vola nahafahana nandoa ny karaman’ny mpiasa sy ny mpianatra ihany, koa nahoana no niandrasana hetsika toy ireny izy ireo, vao nikoropaka ? Sa izay ilay fomba fiasa sy mahomby ankehitriny, mba hilazana fa mahay mamaha ny olan’ny malagasy ity fitondrana ity ? Raha izany, inona no maha-samihafa ny mpitondra FAT sy ny Pompier ? Anao no mandinika, fa mino aho fa hahay hamaha ny olan’ny SMM ihany koa ireto mpitondra mpanao mirakla ireto, fa raha mihitatra ihany koa io fitokonan’ny mpitsara io, zava-doza indray no hiandry ny mpitondra eo. Vainafo zanany