jeu.

30

sept.

2010

Famohazana fitiavana: Misterim-behivavy

Mitady hahazo laka ao anatin’ny tokantrano maro amin’izao fotoana ity mandeha ho azy ity. Tsy misy fifandraisana firy intsony eo amin’ny mpivady fa ny samy maka ho azy no manjaka vokatry ny firotorotoana amin’ny fiainana. Mila ialana anefa izay fomba ratsy izay satria mahavalalanina ihany amin’ny farany. Ny vehivavy no tena mandray anjara mavesatra ao anatin’izay fanovana izay. Mistery ny momba izany. Fomba iray ohatra ny manomana sakafo iarahan’ny mpivady fotsiny indray mandeha isam-bolana raha kely indrindra. Asiana lohahevitra iray ampifanarahana aminy isaky ny fiarahana......

Ao ohatra ny hoe lohahevitra fiarahan’ny sinoa, ka atao mifanentana amin’izay avokoa ny fitafiana, ny ravaka, ny sakafo somary masiatsiaka. Misy ihany koa ny lohahevitra hoe natiora dia mazava ho azy fa atin’akanjo milokom-biby no hanaovana, sakafo hohanina amin’ny tanana no hiarahana, bibibiby avokoa ny rehetra. Ovaovaina araka izay itiavana azy ihany koa ny fihetsika fanao mandritra ny fiarahan’ny mpivady manokana any am-pandriana. Ny zavatra iray iraisan’ny mpivady dia fomba mahomby tokoa ialana amin’ny fahazarana fotsiny ao an-tokantrano toy ny fiarahana mianatra dihy sy ny maro hafa. Ilaina ny fiarahana mitokana matetika, tsy miaraka amin’ny ankizy sy ny havana. Mampifanantona tanteraka ny mpivady ny fanaovana izany. Koa andramo ihany ny torohevitra tahaka izany sao mba mety mahasoa ny fiarahanareo roa.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra