jeu.

30

sept.

2010

Aza miasa saina

Tonga aty indray ry zareo mpanelanelana ? Fa hanao inona aty ihany e? F’angaha ianareo r’Ingahiroa tsy efa nanazava taminy fa haintsika ny mandamina ny eto an-tanàna a! Resaky ny mandany jiro indray angamba izany fa azonay vinaniana eto ihany. Sa tena hanantanteraka ilay famaharany eto izany ny SADC ? Hiara-monina amintsika eto anie ,hono, ry ‘zalahy ireny e! Isika koa moa rehefa any ivelany any toa tsy mazava amin’ny olona loatra ny tena tiantsika hatao. Hiala ao amin’ilay vondrom-paritry ny SADC ihany ve isika sa don-tandroka fotsiny ireny resaka ireny? Tsy fantatry ny olona intsony izay tena politikan’ny fitondrana eto e! Hiroso amin’ny fifidianana sa mbola mila ho elanelanina? Ny hany azo antoka dia matoa tonga eto ny mpanelanelana, dia tsapany fa tsy mpitondra fanjakana ny mpihazona ny fahefana eto fa anisan’ny mpifanandrina politika mampikatso an’i Madagasikara sy ny mponina ao aminy. Sa diso indray izany?Tsy maintsy manapakevitra mazava fa tsy mety ny manao fitàna mitambotsitra e! Taiza teto ambonin’ny tany no hisy fifidianana sy fitsapan-kevibahoaka hifanindran-dalana amin’ny fanelanelanana noho ny krizy politika? Sa ny krizy midongizina, ny fitsapan-kevi-bahoaka tsy maintsy haroso, ary ny fifampidinihina ho tanterahina. Tena hanenjika bitro telo anie izany e? Hay moa mety izany k’ah! Milaza hoe: tsy hirotsaka ho fidiana, kanefa ny “fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana” aza azo tanterahina tsara r’Ingahirainy a!...........

Eto anie azo atao daholo izay ao an-tsaina rehetra na ny voasoratra sy nifanarahana, na ny vinan-kevitra savoan-danitra e! Aiza ve ka hatramin’ny karama isam-bolana avy ity no tsy mety ho azo raha tsy manao grevy sy fitakiana isaky ny mahatsiaro. Ireo iraky ny SADC tonga aty ireo dia mbola any amin’ny fanelanelanana sy ny hahatongavana any amin’ny “dina politika” no tena anton-diany eto fa aza iniana ahodikodina ny resaka: “Hanampy antsika amin’ny fanantaterahana fifidianana ahoana koa ry zareo?”. Aza lany andro manao dingana mbola hiverenana loatra isika fa efa imbetsaka ny Gasy no lany andro sy fotoana e! Omeo antoka ny mpanao politika sy ny Gasy rehetra fa MILA na TSY MILA fanelanelanana intsony ny kizo eto Madagasikara, aza hiasàna loha izay mety ho tohiny eo, aza mety ho tompon’antoka amin’izay mety hiseho, avelao hisy hitsipaka sy tsy hanaiky any ny mety ho valin’ny fitsapana ny hevi-bahoaka, aza mitambitamby amin’izay volakely tsy mahavita taona avy any ivelany fa isika ampiana tafika, tsy ampiana tafika. Aza mitady izay fankatoavan’ny any ivelany any, fa rehefa misy ampahany amin’ny Gasy kely eto manaiky dia efa ampy izay. Na hitokona sy tsy hiasa daholo aza ny sehatra rehetra dia avelao ho eo, aza miasa saina amin’ireny. Ny lalana sy kianja ary ny hôpitaly isam-paritra hatao mafy orina fa iny no “lalana” hizorantsika mianakavy mankany amin’ny fandresena farany. Toa marina ihany ilay resa-bazaha hoe: tsy hahasakana ny “karavanona” ny vovon’amboa e! Efa ato anaty lamasinina daholo anie isika rehetra e! Efa ato ny mpananty ràn-kena, ny bebaoty, ry Baina sy Baofy mbola tafajoro, ry be finoana, ny bandy akama, ny mpanao hôsana hôsana, ny antoko kely endaka, ny mpijapy, ny zaza maditran’i dada,ny zaza navelan’i deba, ireo tsy nahatanty ny anéstezian’i Prôfy, ny mpirangorango fahefana, ny manam-pahaizana mpanamarina ny diso, ary indrindra ny vahoaka tsy mahalala izay hitondràna azy. Sanatria ,ho’aho, toa faty entin’alina Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 3

  • #1

    Vony (jeudi, 30 septembre 2010)

    Ka ny olana koa anie dia ilay masinina tsy misy reglemaany e. Miainga amin'ny ora tiany hiaingana, mijanona amin'ny toerana tiany hijanonana, mampidina sy mampiakatra olona am-pandehanana, ary izay rehetra ao anatiny toa conducteur daholo. Tsy voafaritra ny toerana ho aleha, Tsy voafaritra ny fe-potoana faharetan'ny dia, tsy voafaritra ny isan'ny toerana ao anatiny (misy mipetraka, misy mitsangana, misy matory...). Ilay masinina koa toa tsy hay intsony hoe inona: misy milaza fa masinina haingam-pandeha (mandeha amin'ny herin'aratra (JIRAMA)), misy indray milaza fa à vapeur (kitay bolabola), misy koa mahita fa mandeha amin'ny hery nokleary (nikela sy kobalta). Tsy hay intsony, hi, hi, hi...

  • #2

    beloha (jeudi, 30 septembre 2010)

    mahafinaritra ny exprssion ampiasain'i Vony. Misaotra indrindra fa tafiditra amin'ilay tontolon'ny "basy tsy mipoaka" ianao. sa ianao akaman'io mpanoratra io ihany?"

  • #3

    NY HENDRY (jeudi, 30 septembre 2010 18:36)

    Ary tena mazava kosa ny nolazain'i Vony an!!!!!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra