mer.

29

sept.

2010

Mavesatra ny rivotra mitsoka

Mafimafy ihany ity herinandro ity. Seho maromaro ihany koa no hitranga, ka ity angamba no hahitana ny tena fahaiza-mitantan’ny Fat ! Nanokatra azy, nanomboka omaly, ny fitokonana isan-karazany : ny mpitsara, ny mpampianatra mpikaroka, ny mpandraharaha sy mpianatra eny Ambohitsaina. Misy ihany koa any Toliara any. Andrasana etsy andaniny ny fanapahan-kevitry ny mpiasam-panjakana ao amin’ny ministeran’ny Fitantanambola sy Tetibola, izay mitaky ny fankasitrahana nahazatra azy. Fa tsy adinoina ny fanomanana ny fampielezankevitra momba ny Lalàm-panorenana vaovao hitondra any amin’ny Repoblika Fahefatra. Hatreto, dia mbola manjavozavo ny fizotrany, satria ny valala mandady harona tsy mbola misy mahafantatra ny voarakitra ao anatiny ao. Toy ny varotra omby anaty ambiaty izy ity, ka sarotra omen-kevitra. Na izany aza, na ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny aza tsy mbola heno manambara ny fomba hitondrana ny raharaha. Inona no andraikitry ny Ceni ? Ny Ray aman-dreny Mijoro nandrafitra ny fanapahan-kevitry ny mpizaika ? Ary ny CCC nandrafitra ny Lalàm-panorenena tao anatin’ny fotoana fohy dia fohy, raha marimarina kokoa tsy ampy herinandro taorian’Ivato. Fa tsy azo atao ambany maso tsy hita kosa angamba ny hetsiky ny mpikirakira sy mpampahalala vaovao, ny faran’ny herinandro teo. Mitohy izany hetsika izany ankehitriny, ka mitaky fihaonana amin’ny tompon’ny fahefana isan’ambaratongany sy isan-tsokajiny handray azy, hahafahany manazava ny fanapahan-keviny : fampiatoana ny hevitra rehetra notinapaky ny vaomieran’ny Serasera teny Ivato, mikasika ny asan’izy ireo. Tsy nisy solontenany rahateo teny, nitondra ny hetahetany sy nanome fanazavana momba ny fanatanterahana ny asany. Ho hita amin’ny manaraka ny tohiny, satria… herinandro ihany no omen’ireto mpanao gazety ireto ny manam-pahefan’ny tetezamita.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra