mer.
29
sept.
2010
Lasa lalana tsy maintsy hizorana ny “ miakatra ” eny Tsimbazaza, mialoha ny hidirana eny Ambohitsorohitra. Izay izany izao ny fanamby ifametrahan’ny mpanao politika, te hidingina eny ambony rehetra eny. Ts y d i a n y h o e n y Mahazoarivo loatra akory! Io koa mantsy somary sarotsarotra ihany, fa miankina amin’ilay efa eny Ambohitsorohitra ny teny farany. Izy no mandany ny fipetrahana eny na tsia. Ry zareo nanao sonia ny fifanarahana politika fantatra amin’ny hoe Escopol, sy ry zareo mpizaikan’Ivato rahateo efa nilaza fa tsy maintsy olona tsy avy eto an-drenivohotra indray no tokony ho eny. Ho voatazona ve ny seza ?......
Araka ny fanarahana ny fandehan’ny raharah am- p i r e n e n a , d i a e f a manombok a sahady ny fampielezan-kevi t ra ny amin’ny hilatsahany hofidiana ho filoham-pirenena sahady ilay mitazona ny fitondrana, dia I Andry Rajoelina izany. Miezaka manazava amin’ny vahoaka lalovany any amin’ny faritra sahady izy fa manana “ vina ” hono, dia ny fanamboarana fotodrafitrasa, toy ny hopitaly, ny kianjam-panatanjahantena, sns. Nihazakazahany voalohany indrindra ny nametraka ny PDS amin’izao fotoana, Razafndravahy Edgard, eo amin’io toerana nialany io. Midika izany fa tafapetraka tsy nolaniana izy. Avy hatrany dia tafakatra an-dapa, tsy mba toy ilay ramatoa nantsoina hanome lagy ny tompontoerana teo alohany. Koa raha izao no mitohy, dia efa lasa izao sahady izany ny PDGn’ny orinasa Prey, ka dia manohy no sisa. Ho sahy sa tsia ? Eo no mahalasa saina kely. Betsaka tokoa mantsy ny nieritreritra fa ny ho filohampirenena no vinavinan’ity tompon’orinasa maromaro ity. Toy ny roa teo alohany e ! Kanjo, t rat ran’ny kenda roroka ka dia tafajanona eny an-tenantenan-dalana. Ary tsy iza no nanao sonia “ ilay ” fifanarahana fa ilay nametraka azy ihany. “ Tsy mahazo milatsaka izay rehetra mitantana mandritra ny tetezamita ”. Sa ho hita eo indray ny fahaizan’Ambohitsorohitra sy ny Fat manova izany ? .. Asa re !