mar.
28
sept.
2010
Fotoana mamy, tokana antany … Ny ora rehetra iarahana, ny fomba nihaonana … Sarotra adinoina ireo ary ankafizina satria voalohampitia. Samy manana ny azy ny olona tsirairay. Indro ny fanadihadiana. Voalohany aloha dia tsy misy fitsipika mifehy ny voaloham- pitia. Mety ho teny anelankelan-trano, mety ho any amin’ny toeram-pandihizana, mety ho tany an-tsekoly, hatrany amin’ny toeram-piasana … Mandeha ho azy, tsy misy amboarina ny zavatra rehetra. Tsy misy taonany ny fitiavana. Tsy mifidy taona ihany koa ny voaloham-pitia. Mety ho any amin’ny fahatanorana izy no mihatra, mety ho any amin’ny fotoam-pahalehibeazana. Mitovy hatrany ny fihetseham-po aterany, tsy misy fahasamihafany. Tsy ampoizina toy izany ny olona iantefany. Tsy fantantsika akory na ilay fakitera mpanatitra taratasy, na tovolahy mpifanerasera isan’andro … tsy misy fomba amantarana azy mialoha. Dia mbola toy izay hatrany ny fihetsika nifankahalalana sy nifampiresahana. Mety ho olona namonjy anao izy, na olona nivarotra « billet »-na rindrankira taminao, na koa mpiaramianatra vaovao toa anao … tsy fantatra. Samy manana ny tsiambaratelon’ny voalohampitiavany ny olona tsirairay. Matetika dia sarotra ho an’ny saina ny manala azy tsy ho ao intsony. Misy toerana iafenany hatrany ao.
Tena marina io fa misy foana ny toejavatra hahatsiarovana ilay voalohany.
