mar.

28

sept.

2010

Ray aman-dreny najoro: Afa-baraka !

Nivadika ny rasa ! Izay no handikan’ny vahoaka ny fomba fiasan’ny ray aman-dreny mijoro, na najoro. Hatrany amin’ny fanombohana, ka hatramin’ny famolavolana ny fehin-kevitra nivoaka, dia nahitana lesoka hatrany ny fivoriana natao teny Ivato farany teo. Tsy gaga isika, raha mikasa hanao dinika nasionaly ny sehatra hafa toy ny CNOSC, mba ahafahan’ny vahoaka mandinika izay hevitra mety hivoahana marina amin’izao krizy izao. Natao f i taovana fot - siny ireo mpizaika nahatratra 4700 tonga teny Ivato. Porofon’izany ny fivadihan’ny fehin-kevitra nivoaka, ka nahatonga ny mpizaika sasany nitaraina tetsy amin’ny Motel Anosy......

Momba ny famotsoran-keloka faobe sy ampahany io. Inona no tena tanjon’ny ray aman-dreny mijoro ireto tamin’ny fanovàna izay tapaky ny mpizaika ? Ny olana nandritra ny fikarakarana efa ireny nahamenatra ireny, ary mbola mitohy any amin’ny famoahana fehin-kevitra miova indray ankehitriny ny tohiny. Tsy ho tanisaina eto ny fitomboan’ny mpandray anjara tampoka, sy ny ady an-kanina sy ny fitadiavana vola ho tambin’ny tsangan-tanana ataon’ireo mpizaika. Ny tena olana, dia korontana hatramin’ny fiatombohany, ka hatramin’ny fiafaràny iny dinika natao iny. Taiza hatramin’izay no nisy mpizaika hiady an-kanina sy hiady rano hosotroina, ary tsy mety hivory raha tsy mahazo vola ? Na vita aza iny hetsika nataon’ny ray aman-dreny mijoro iny, dia ny tarazony kosa mbola mitohy, satria mihetsika ihany koa izao ny mpanao gazety tamin’ny fanapahan’ny mpizaika tsy tompon’antoka amin’ny serasera nisalovana ity asa masina ity. Izay no ilàna ny fanaovana dinika hafa hifampitahàna eo amin’ny lafiny fikarakaràna sy mety ho hevitra hivoaka ao. Ho hita eo ihany koa izay mety ho eken’ny sehatra iraisam-pirenena, satria ity nataon’ny ray aman-dreny mijoro ity, dia tsy nampiova ny fandavan’ny sehatra iraisam- pirenena izao tetezamita izao. Tsy afaka hihambo ho naha-tafavoaka baolina ireto ray aman-dreny mijoro ireto, satria toa mitanila ny famahana olana, ka manomboka mitroatra sahady ireo olona natao hitsikitsika hivavahana teny Ivato farany ireny. Hatramin’izao, dia ny fivoriana kasain’ny CNOSC hatao no andrandrain’ny rehetra, satria ao angamba no hahitana ny hevitra tsy hitanila sy voavidim-bola, ary tsy hiady an-kanina, ary handraisan’ny hery samihafa anjara, toy ny masoivoho vahiny sy ny mpanao politika ary avy amin’ny ankolafy samihafa. Sa izay mihitsy ilay atahorana, ka ambara ho fanakorontanana saim-bahoaka ity fivoriana hataon’ny CNOSC ity ? Pilo kely

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    dodo (lundi, 04 octobre 2010 11:55)

    aleo afabaraka any fa kely loha loatra ka

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra