mar.
28
sept.
2010
Lohantaona migaingaina, tsy laitra ny hafanana. Toy izany koa ny lalana hizorantsika mianakavy. Mamovoka be tsy hifankahitàna. Any ampovoan’ny tany karankaina anie! Tsy hifandrenesana satria samy may amin’ny mahamay azy. Samy te-hiala ity tany karankaina ity koa angamba? Fa mbola mety haharitra elabe angaha ny fihodikodinana ity “vovoka manjofo be“ ity? Tsia! Efa irý mangilatra erý aloha irý anie, hono, ny tanjona e! Nisy rano azo nodinganin-jazakely terý aloha terý; kanefa dia nanamboatra tetezana niampitàna teo ny mpitarika antsika. Alohan’ny hahatongavana any amin’ilay mangilatra be anefa dia mbola misy renirano tokony hiampitàna hoy ny hafa. Miaiky izao ny mpitondra malagasy fa ilaina ny fampijoroana fanjakàna tena manaraka ny lalàna velona. Efa natolotra ny filohan’ny FAT rahateo ny volavolan-dalàmpanorenana hitsapàna ny hevi-bahoaka ato ho ato. Raha ao anaty vovoka manjofo be toy izao dia efa noporofoin’ny tantara fa hiridana hankany amin’ny ”Eny“ ny valin-teny ho azo eo. Mahatoky tena ny mpikarakara satria azo vinaniana fa tsy maintsy ho toy izao ny fanontaniana hiseho: “Ekenareo ve ny hiala amin’ity vovoka manempotra ity, ka handehanantsika amin’irý mangilatra mahafinaritra irý?”. Dia olom-pirenena mandray andraikitra toy ny inona r’Ingahiroa no handà izany? Na vitsy, na marobe no hamaly ny fanontaniana dia tsy maintsy hohamarinin’ny “sheriff” izay vokatra hita eo............
Raha tena azo antoka ve ny fahamarinana sy ny faharesendahatra amin’izay voasoratr’ity volavola ity; nahoana no nosoratana ao fa tsy misy fanovàna azo atao mandritra ny folo taona? Andriakaky ô! Maty aho basin-janako! Tsy dimy taona in-droa ve izany? Dimy taonan’ny Filoha vaovao voafidy eo? Dia tsy maintsy hevitra tokana izany no hikoriana eto mandritra izay folo taona izay? Dia rehefa lasa (sy tsy maintsy miala) dia vereza izay ho very? Matesa izay ho faty? Be dia be ny azo hanaovana ny ady hevitra kanefa dia mampiomana ny rehetra ihany ny fomba ankehitriny mba hijanonana ao anatin’ity vovoka be tsy hifankahitàna ity. Raha tsy hoe: hampatsiahy ny ôbarajia ôbarajan’ny zanak’Israely teo amoron’ny ranomasina mena angaha? Dia tonga indray ity ny fanorenana maimaika sy peta-toko hataon’ny ampahany amin’ny “vahoaka”. Hanorina satria nandrava? Amin’ny fomba ahoana no hitokisana fa ny voalavo mpanimba sy mpandrava dia hahay hanorina? Toa tsaroana tampoka ilay andininy faha-enina amin’ny lalampanorenan’ny Repoblika faha-telo: “Tsy misy ampahany amin’ny vahoaka, na olon-tokana mahazo manendry tena hampiasa izany fahefana feno izany.” Fa izany fahefana feno izany anie io very sy mihosom-bovoka io e ! Ony RAMBELO
Ny tetikan'i jeolimboto dia ny hoe tapitra ny 10 taona dia ovana indray ny lalàm-panorenana ka hoe afaka milatsaka indray izy.Kanefa hahatratra an'izany ve izy?
