mar.
28
sept.
2010
Sarotra aloha hatreto ny hino fa tsy hilatsaka ho fidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena Ing Andry Rajoelina, na dia efa nilaza tamin’ny fomba ofisialy aza ny tenany fa tsy hilatsaka ho fidiana. Miharihary toy ny vay an-kandrina anefa amin’izao ny fanaovany fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana, manerana ny faritra indrindra tato anatin’ny roa volana teo ho eo izay. Tsy izany ihany fa eo koa ny fanomezana fampanantenana ireo vahoaka isaky ny toerana izay alehany, fa hanaovana an’izao sy izao ny faritra......
Lany andro eo am-panaovana fampielezan-kevitra sy fitetezana faritra fotsiny amin’izao ny filohan’ny FAT. Asa tokoa aloha na adinony fa mbola misy adidy lehibe miandry azy, dia ny famoahana an’i Madagasikara ao anaty krizy, indrindra efa tena naharitra lava loatra izy ity. Amin’izao anefa dia toa kely ihany ny finoana mikasika ny filazan’ny filohan’ny FAT fa tsy hilatsaka ho fidiana filoham-pirenena ny tenany. Asa aloha na mihevitra ny vahoaka Malagasy ho kentrona izy ireo, fa raha ny fihetsika sy ny kabary izay ataony dia milaza ho azy fa hirotsaka ho fidiana indray ny tenany ary miharihary toy ny vay an-kandrina izany. Eny e ! raha ny mikasika ireo fampanantenana izay ataony amin’ny vahoaka Malagasy aloha dia tsy misy maharatsy izany satria harena mipetraka ho an’ny taranaka izany, saingy raha ny fahitana azy dia tafahoatra loatra ireo fampanantenana indraindray, ka mahatonga ny maro hilaza fa tsy ho vita ny ankamaroany. Misy mihintsy aza moa ireo milaza fa « sao dia mba ny efa eo ihany aloha no tokony havaozina sy hatsaraina raha toa ka misy ihany ny hoenti-manana amin’izany », maro tokoa mantsy ireo foto-drafitr’asa eto amintsika no efa antitra ka mila fanamboarana. Milaza miara mahita ihany angamba ny tena raha toa ka hilaza fa maro ireo hopitaly manaram-penitra izay nampanantenain’ity filohan’ny FAT nandritra izay fitetezam-paritra izay nataony izay. Ny zava misy eny anivon’ireny hopitalim-panjakana rehetra ireny anefa dia hita fa miaha sarotra ny fitsaboana marary noho ny halafosan’ny fanafody sy ny vola aloha ao amin’ny hopitaly. Manginy fotsiny ny halafosan’ny saram-pandidina sy ny fitarafana maro samihafa. Velon-taraina arak’izany ireo vahoaka saingy toa odian’ireo mpitondra tsy heno izany, na ihany koa lazaina fa politikan’ny fitsitsitsiana no ampiharina amin’izao.
Lany andro amin’ny fanomezan-tsiny koa e !
Isaky ny faritra izay lalovan’ireo delegasiona tarihan’ny filohan’ny FAT dia tsikaritra fa tafiditra ao antin’ny kabariny hatrany ny fanomezan-tsiny ireo mpitondra teo aloha. Asa aloha na fotoanan’ny fifanomezan-tsiny izao, na fotoana hampisehoana sy handresena lahatra ny Malagasy fa mahavita azy izy ireo. Raha ny fahitana ireto mpitondra sy mpikambana ao amin’ny FAT ireto aloha dia hita fa tsy mbola mihevitra velively ny hamoaka an’i Madagasikara ao anaty krizy izy ireo, fa toa vao maika aza izy ireo nahazo aina tao aorian’ny fihaonam-be.
Ahoana moa no hamoahany antsika ao anaty krizy ka izy mihitsy ange no krizy e! Noho izany mitombina tsara ny teninareo hoe: Tsy mbola mihevitra ny hamoaka antsika ao anaty krizy izy ireo,fa mbola
mahazo aina tsara izy @ izao.
Raha ny filatsahany tsy vao izao akory ny lehibehin' ny FATy no nivaka ny teny nataony na dia mahasaha milaza fa tsy mandainga sy tsy mandantsa-drà aza izy.
