lun.

27

sept.

2010

Lakan-drano Andriantany: Raikitra ny fanadiovana mba tsy ho dibo-drano

« Madio lakan-drano lohataona, tsy difotra raha fahavaratra », fiteny mahazatra io fa ny fanatantarehana azy no misy manahirana indraindray noho ny resaka toe-tsaina. Misy ireo tena manadio ireny tatatra sy lakan-drano ireny kanefa ny mpandoto koa misasatra sy somokotra ery manipy ny fako eny rehetra eny. Manohy ny ezaka efa natombony ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny FID ny APIPA, ary ny kaominina Antananarivo renivohitra amin’ny fanadiovana sy fandalinana ny lakandranon’Andriantany mirefy 13 kilometra mba hanamorana ny fikorian’ny rano rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra. Ny faritra iva izay dibo-drano matetika no tena tsinjovina amin’izao hetsika fanadiovana izao...........

Ampatsiahivanafa manomboka eo amin’ny tetezan’Ankadimbahoaka ny lakan-drano ary tsy mifarana raha tsy eny amin’ny “station de pompage” eny Ambodimita. Tsy vitan’ny fampiasana fiara vaventy ny fanadiovana. Ao indrindra ireo mpandray anjara amin’ny asa tana-maro na “Haute Intensité de Main d’Oeuvre” (HIMO) ifandrimbonan’ny lahy sy vavy. Nanokana vola mitentina Ar 169 597 666 ny FID ho an’ireo mpiantselika sahirana ara-pivelomana miisa 1 800 amin’ny faritra Manarintsoa, Andranomanalina Isotry ary Antohomadinika. Ho fanampiny, mbola misy koa ny vola Ar 14 258 500 atolotra ny olona miisa 104 miandraikitra ny asa tanamaro amin’ny fanarenana ny fefilohan’Andohatapenaka sy ny manodidina. Tsy miasa irery ny FID sy ny ministrera mpiahy amin’izao resa-panadiovana sy ny fanarenana izao. Manampy koa ny faritra Analamanga sy kaominina efatra manodidina amin’ny fanarenana ity fefeiloha ity izay miantoka ny fanondrahana tanimbary. Efa misy ny fikarakarana fefiloha manarapenitra hatao amin’ny simenitra hiarovana ny riaka tsy hamotika ny vokatra. Tonga nijery ifotony ny fandehan-draharaha ny ministry ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana sady filoha ny filakevim-pitantananan’ny FID Andrianainarivelo Hajo niaraka tamin’ i reo mpiara-miasa sy mpiaramiombonantoka. “Mizotra tsara ny asa, saingy mbola mila ezaka betsaka hoy izy ny fitaizana sy fanentanana ny olona amin’ny fahadiovana toy ny tsy fanariana ny fako ao anatin’io lakandrano io”, hoy ny ministra nitondra anatranatra madinika hotsakoina.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra