dim.

26

sept.

2010

Tongava ianareo roalahy, Raiso ny fahefana fa mijaly izahay !

Nipoitra nikabary teo amin’ny Magro Behoririka indray i Raveloson Constant, taorian’ny fikasana hisambotra azy, i Kolonely Ravalomanana no nasolo ny FIS rehefa tsy neken’ny Frantsay intsony ity farany, hoy izy. « Tolona ity » ka tsy maintsy hatao hatramin’ny farany. Tsy mety mahazo fankatoavana sy tsodranon’ny Malagasy mihitsy ary indrindra indrindra ny fankatoavana iraisam-pirenena ingahy Rajoelina. Misy « tsodrano forcé » angalarina nokarakarain’ireo raiamandreny nijoro tamin’ny herinandro teo fa tsy nety, hoy izy. Nanazava ny momba ny tantara nahazoan’i Rajoelina ny tanàna ihany koa Raveloson Constant. Ny 40 % ny mpifidy no nifidy an’i Rajoelina ho ben’ny tanàna ary 60% no nandatsabato ho azy, izany hoe 24%n’ ny mponin’Antananarivo no nandany azy tamin’ny mbola tsy nisy hadalana nataony, izay fahavitsian’ny mpifidy azy izay no antony hambenana anareo amin’ny basy eto amin’ny Magro sao mirongatra eo ianareo, hoy izy.........

Azo hanina Antsonjobe? Mikasika ilay tetikasa fanamboarana an’Antsonjombe indray dia nasiaka mihitsy ny filazany. « Anjatony dolara no azo vokatry ny taninay izay anjakazakanao, raha mba nanao lalana ny filoha Ravalomanana dia nolazainao fa azo hanina angaha ny lalana ? Amin’izao fotoana izao, ataonao inona izao sahady Antsonjobe e? F’angaha Antsonjobe azo haninana e? » Baomba kapoaka ! Raha niresaka momba ny Kolonely Ravalomanana izy dia namatrapatratra mihitsy. « Anaro ny Polisy dia tsy ho horahan’ny olona » ianareo hoy i Raveloson Constant. Toy ilay tetsy amin’ny 67, anaro sy teneno ary sazio ireo miaramila dia tsy hankahala anao ny vahoaka. Tsy maharo sy mahavita miambina anareo akory ny miaramila matoa tonga eo ambaravaranareo ny « baomba kapoaka ». Noho izany rehetra izany, dia raha izaho no teo amin’ny toeran’i Andry Rajoelina dia noesoriko i Ravalomanana Richard sy ingahy Organes Rakotomihantarizaka, hoy ihany i Constant, fa tsy mahavita miaro akory. Dory ny sakay ! Tsy misy fampiraharahana vanona raha tsy tonga eto ny filoha roalahy any ivelany any. « Dorana ny sakay, ampitenenino ny tanàna » hoy izy. Atao tsy misy hisotroana rano intsony eto raha tsy mody eto ny filoha roalahy. « Mi set ra set ra amin’ny Malagasy ny polisy, tongava ianao Ravalomanana handamina ny tany », « mitetika hanao fifidianana halabato avo lenta Rajoelina, tongava ianao Ratsiraka fa halamintsika ny tany ». « Tongava ianareo, vonjeo Madagasikara fa lany andro mampidera galona ilaikely, mikorontana ny tany, hanaovan’ny miarami l a setrasetra izahay, viravirain’ny dahalo izahay, tsy vanona ny fampianarana, modia ianareo, raiso ny fahefana fa mijaly izahay !” hoy izy namarana ny kabariny.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra